This post was originally published on this site.
2016-2026. Feno folo taona amin’ity taona ity ny fahitalavitra rahavavy “Amitié télévision”, ka entina hanamarihana izany fankalazana ny tsingerintaona izany dia hisy ny hetsika goavana fiaraha-mivavaka hanasan’izy ireo ny olon-drehetra etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 25 janoary ho avy izao. Hetsika fanokafana ny taom-pankalazana izy io. ” Tao anatin’izay folo taona izay dia maro ny vokatra efa azo fa maro ihany koa no tanjona tsy tratra fa ezahina tratrarina amin’ity folo taona manaraka ity. Famonjena ny fanahin’ny olona no antom-pisian’ny Amitié Tv ary manana ny teny filamatra Manova olona, manova fiarahamonina izahay”, araka ny fanazavan’ny Pasitera Andry, mpikarakara ny hetsika fankalazana ny fahafolo taona. Fahitalavitra isan’ny niroborobo tao anatin’ny fotoana fohy tokoa ny Amitié Tv noho ireo fandaharana maro vokariny toy ny Vaovao, ny fialamboly ary tsy diso anjara ny Toriteny fampaherezana ny olona sy tena hahafantarin’ny besinimaro ity fahitalavitra ity. Mampiavaka azy ireo ihany koa ny fankasitrahana ny asa vitan’ireo mpanakanto amin’ny alalan’ny fanomezana fankasitrahana ireo mpihira ara-pilazantsara. Tsangambaton’ity fahafolo taona ity moa ny fividianana fitaovana vaovao hanatsarana hatrany ny fampitana ny fahitalavitra manerana ny faritra maro eto amintsika.

Laisser un commentaire