SALON DE L’ETUDIANT ETSY AMIN’NY LE PAVE ANTANINARENINA : Hetsika hanampiana ireo tanora amin’ny fandratoana fianarana

This post was originally published on this site.


Oniversite tsy miankina amin’ny Fanjakana, ivontoeram-piofanana ary ireo “Grande école” manodidina ny telopolo isa no azo tsidihana etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina mandritra ny roa andro dia ny 22 sy 23 janoary amin’ilay Salon de l’étudiant karakarain’ny Mada Jeune. “Tahaka ny fanaonay isan-taona dia tonga amin’ny andiany faharoa ny Salon de l’étudiant amin’ity taona ity izay fampahafantarana amin’ireo tanora ireo lalampiofanana arahina aorian’ny fahazoana ny diplaoma bakalorea. Manana safidy maro ireo tanora sy ray aman-dreny tonga eto satria tsy mivezivezy lavitra fa mivondrona amin’ny toerana iray ireo Oniversite sy Grand école ahafahana maka ny andininindiny rehetra. Ankoatra izay koa dia hanana tombony manokana izy ireo satria saika manana tolotra miavaka avy ireo mpandray anjara, toy ny fihenam-bidy sy fahafahana mandoa tsikelikely ny droit sy saram-pianarana. Ny fanampiana ny tanora sy  ny ray aman-dreny amin’ny fanohizana fianarana moa no tanjona amin’izao hetsika izao, satria iaraha-mahalala fa tsy mahazaka ny isan’ny mpianatra afaka bakalorea ireo Oniversitem-panjakana eto amintsika. Mampiavaka ity andiany ity ny fahamaroan’ireo tolotra ho an’ireo mpianatra te handranto fianarana any ivelan’i Madagasikara. Tsy amin’ny toerana iray ihany fa saika manerantany satria misy ny any Canada, Eropa, Inde sy ny maro hafa”, araka ny fanazavan’i Miora Rabearisoa, tomponandraikitry ny Salon de l’étudiant.

Commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *