This post was originally published on this site.
“RAJAONA Siméon, andrarezin’ny fikarohana momba ny teny sy ny haisoratra malagasy”, io no lohahevitry ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fanamarihana ny fahazato taona nahaterahan-dRAJAONA Siméon Régis, Professeur Titulaire Émérite, Docteur Honoris Causa. Ny Zanatsehatra Malagasy sy ireo mpiara-miasa ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, miaraka amin’ny fianakaviana (taranaka) sy ireo nofaniny na akaiky azy araka izany dia mampahafantatra fa hisy ny fanamarihana ity fahazato taona nahaterahan-dRajaona Siméon Régis ity.
Manomboka ny 18 febroary 2026 ka hatramin’ny 18 febroary 2027 izany. Hahitana hetsika ara-tsiantsa sy ara-kolontsaina samihafa izay omban’ny lanonam-panjakana hatrany ny fankalazana. Ankoatra izay, fandaharam-potoana ankapobeny ny hetsika, ny 18 febroary 2026: ny fanombohan’ny fifaninanana asasoratra. Ny 28 febroary 2026 dia hisy ny Fanompoam-pivavahana eny amin’ny EKAR Ankadivato. Ny 26 sy ny 27 martsa 2026 dia hotokanana ny Arabe Rajaona Siméon sy ny fijoroana vavolombelona. Hotanterahana ihany koa ny Fikaonan-doha iraisampirenena. Ny volana may 2026 dia hanangana ny toerana fonenany eny Antsahabe ho vakoka, ny komity mpikarakara ny fahazato taona. Ny 23 jona 2026 ny fanolorana ny revio HIRATRA 7 sy ny boky mirakitra ny fikaonan-doha. Ny 06 novambra 2026 no hanambarana ny vokatra fifaninanana asasoratra. Ny 18 febroary 2027 no hanolorona ny boky raki-piainan’i Siméon Rajaona. Ny fanolorana loka ho an’ny mpandresy ihany koa.
Rajaona Siméon Régis izay nanoratra boky maro isan-karazany mikasika ny teny sy ny haisoratra malagasy. Anisan’izany ny “Takelaka notsongaina I sy II”, ny Raki-bolana-Raki-pahalalana”. Rajaona Siméon Régis dia anisan’ireo Olomangan’ny literatiora sy ny fampianarana teto Madagasikara na nampianatra tany Frantsa aza ny tenany. Niverina teto an-tanindrazana izy ary nanangana ny Oniversite teto Madagasikara. Izy no Sojabe malagasy voalohany teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, araka ny fanazavana voaray, teny Ankatso, ny alakamisy 29 janoary 2026.

Laisser un commentaire