This post was originally published on this site.
Noho ny fisian’ilay fikorontanana ao amin’ny ranomasimbe Indianina, tombanana hahazo vahana ny oram-baratra amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ary hiitatra amin’ny ilany atsinan’ny afovoantany izany, manomboka ny talata ho avy izao. Hahery be koa ny ranomasina sady ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy, manomboka amin’ny alatsinainy.
Nanome tolotra fahasalamana maimaimpoana ho an’ireo traboina eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny mpiasan’ny fahasalamana. Nisy ny fizahana ny aretina amin’ny ankapobeny, ny fandrindrana fiainam-pianakaviana, ny fanaraha-maso ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny vaksiny mahazatra ho an’ny zaza. Manana toerana fandraisana traboina fito Antananarivo Renivohitra. Eny Morarano, Amboditanimena Soavimasoandro, Ampefiloha Ambodirano, Ouest mananjary, ANS Ampefiloha, Gymnase Mahamasina ary Makis Andohatapenaka.
Mitohy ny asa fanarenana ny fefilohan’i Sisaony taorian’ny fahasimbana sy ny fahavakisana hita tao amin’ny fokontany Tongoloina, kaominina Ampahitrosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Mifantoka amin’ny fanamafisana ireo fotodrafitrasa vonjimaika napetraka ny ekipa eny an-toerana sady manamafy ny tanjaka échafaudage sy manarina ireo gony lehibe lasan’ny rano na simba vokatry ny fikorianan’ny rano mahery.
Tanjona ny hanamafisana ny fefiloha, hiarovana ny mponina sy ny tanim-boly manodidina amin’ny loza mety hateraky ny fiakaran’ny rano.
Partager sur:
Laisser un commentaire