This post was originally published on this site.
Raha tsy misy ny fiovana farany, hotanterahina anio, ny valandresaka amin’ny mpanao gazety izay hiarahana amin’ny mpanazatra, Corentin Martins. Hiresaka mahakasika sy ny vaovao maro kokoa momba ny fitantanana ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara ny tenany. Eo ihany koa no hamantarana ny anaran’ ilay firenena roa hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa nasionaly malagasy.
Efa nanainga ny afakomaly alina teo, hihazo an’i Afrika Atsimo, hiatrika ny Cosafa sokajy vehivavy, « senior » ny Barea Ladies. Ity fifanintsanana aty amin’ ny faritra atsimon’i Afrika ity, izay efa nanomboka ny alarobia lasa teo, saingy ny alatsinainy ho avy io ny ekipam-pirenena malagasy vao hiakatra an-kianja. Ry zareo namibianina no hifandona voalohany amin’ny Barea amin’izany.
Nanainga, omaly, hihazo an’i Dakar, hiatrika ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 5×5 Seniors, ny Ankoay lehilahy. Mpilalao avy eto an-toerana 7 mirahalahy no niara-niainga hamonjy ireo mpilaravinahitra 5 mirahalahy efa any Dakar. Hanohy ny fampivondronana avy hatrany ireto ekipam-pirenena malagasy ireto.
Partager sur:
Laisser un commentaire