TARATRY ny KANTO

This post was originally published on this site.

Nahemotra ny “Tsapiky Festivaly”, izay tokony ho notontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, any Toliara. Noho ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ny antony hanemorana izany amin’io volana marsa io. Manampy izany ny fiombonam-po amin’ireo traboina any amin’ny faritra Atsinanana, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza, raha ny fanazavana avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izay mpikarakara ny hetsika. Tsiahivina fa hanamarihana ny nahatafiditra ny gadona tsapiky ho anisan’ny harembakoka tsy azo tsapain-tanana iraisan’izao tontolo izao eo anivon’ny Unesco ny hetsika.
Manodidina ny mombamomba ny mpanjakavavy Ranavalona III ny “Café-Histoire” manaraka ao amin’ny Mozean’ny saripika Anjohy, hotontosaina anio manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. Hitarika izany i Hella Feki, mpampianatra momba ny teny sary sady mpanoratra. Hizarazara ireo ampaham-piainan-dRanavalona III tany an-tsesitany, lavitra ny tanindrazana kanefa nitana hatrany ny anaram-boninahitra maha mpanjaka azy, ity mpikaroka ity.
Tsy tery vay manta ny fanajana ny soatoavina. Na samy Malagasy aza, ahitana fahasamihafana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ary ny soatoaviny. Io tranga io ilay ambaran’ny “harena ny fahasamihafana”. Io no tokony hiteraka ny fifanajana. Ny mahavariana? Misy kolontsaina katsahina mafy izay “hambolena sy hampaniry ary hampiroborobo” azy fatratra, eo amin’ny toerana na faritra tsy mila izany akory. Mety hanimba ny soatoavin’ny hafa ny tranga tahaka io.
“Iray volan’ny teatra”. Hamoha indray ireo hira teatraly ny Tropy Jeannette. Hisy ny rindran-kira hotontosain’izy ireo, ny alahady 1 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora, eny amin’ny AFT Andavamamba. Sanganasan-dRatianarivo ny ankamaroany, mazava loatra, amin’ny maha mpanorina sy mpitarika voalohany ny tropy an’ity andrarezin’ny famoronana hira teatraly ity. Ny tombony, rehefa ny tropy Jeannette no manao rindran-kira? Hapetrak’izy ireo anatin’ny tantara nisy azy ireo hira ho fampahafantarana ny mpijery.

Partager sur:

Commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *