“ALLIANCE AIKA” Nampahafantatra ny vokatry ny “COP30”

This post was originally published on this site.

Ny atrikasa nasionaly fampahafantarana ny vokatry ny fandraisana anjaran’ny tanora malagasy tamin’ny “COP30”, tany Belem, no hetsika notontosain’ny “Alliance Aika”, teny Ankerana. Atrikasa izay nandraisan’ireo mpanao politika, mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ary ireo tanora tapa-kevitra hanova ny fifampiraharahana iraisam-pirenena ho asa mivaingana ho an’i Madagasikara, anjara. Izy ireo izay nahatratra 144 isa. Teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD) sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS) ary ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara izay nanohana ny hetsika, ity atrikasa nasionaly ity. Ny “MEDD” sy ny “MJS” izay nanasongadina ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ireo andrim-panjakana sy ny hafanam-pon’ny tanora amin’ny fitakiana ny rariny ara-toetrandro. Ankoatra izay dia nibahan-toerana tamin’ity atrikasa nasionaly ity ny fiofanana sy fifanakalozan-kevitra momba ny toetrandro ary ny fifampiraharahana iraisam-pirenena. Tsy fampisehoana tsotra fotsiny ihany ity fihaonana ity fa dingana lehibe ho an’ny fitantanana ny toetrandro eto Madagasikara indrindra fa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora amin’ny adisisika ho fanomanana ny COP manaraka, araka ny fanazavana voaray.

Commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *