This post was originally published on this site.
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny alarobia 18 martsa 2026, teny Antaninarenina, ny fijoroan’ny Vovonana Mijoro ho An’ny Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara na ny MAFI-M. Tanjon’ny Vovonana ny hanamafy orina ny fitantanana madio sy mangarahara mba hampisy ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Hanamafy orina ihany koa ny fitantanana mpandray anjara ny vondron’olona ifotony. Ankoatra izay, ny fitantanana mametraka ny olom-pirenena ho tompon’andraikitra eo amin’ny faritra sy kaominina misy azy. Manohana ny ezaky ny fitondram-panjakana ihany koa ny MAFI-M. Hitondra anjara biriky araka izay tratra amin’ny fiarovana ny tanjon’ny Fanavaozana eto Madagasikara.
Ny fampiofanana ny tanora mba hanana fahaiza-mitarika mankany amin’ny fandrosoana sy fahaiza-manao amin’ny famoronana asa mahavelona. Ny fanohanana ny politika manome lanja ny fanabeazana. Ny fanomezana tan-tsoroka ny eny ifotony. Ny fanabeazana ny olom-pirenena tompon’andraikitra manoloana ny raharaham-pirenena sy ny tontolo iainana. Ny fampandraisana anjara ny eny ifotony mahakasika ny fitantanana ny fokontany sy ny kaominina ary ny faritra misy azy ireo, no anisany himasoan’ny MAFI-M. Teny filamatry ny Vovonana MAFI-M, ny hoe: “Fampandrosoana ifotony, loharanom-pahombiazana”, araka ny fanazavana voaray.

Laisser un commentaire