Madagasikara. Lapam-panjakana eny Iavoloha, Talata 08 Oktobra 2025. Fanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina.

This post was originally published on this site.


Diso kajy daholo na ireo « mpanohitra » na ireo “niara-dia” tamin’ny Filoha Rajoelina. Vakio tsara :

Androany aho eto anatrehanareo manatrika, miteny aminareo: tsy vahaolana ny korontana izay tiana apetraka eto amin’ny firenena. Tsy tiako ho tahaka an’i Haïti ,tsy misy fitondrana anie any Haïti; amintsika miteny izao ry zareo fa ny gang no mitantana ny firenena any. Noho izany, amin’ny maha-Filohan’ny Malagasy ahy, dia miteny aminareo aho: ataoko ny ezaka rehetra, amin’ny fomba rehetra, mba hampamiratra sy hasongadina an’i Madagasikara. Mandra-pahatapitra ny manda­ko, vita ny manda­ko, mety betsaka no faly ary mety betsaka no nitomany any an-tokantrano any ankehitriny. Fa mitadiava ianareo hisolo ahy fa izaho tsy hilatsaka intsony amin’ny fifidianana manaraka.

Naka sary sy nandray feo : Jeannot RAMAMBAZAFY

Commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *