INDRAY MIJERY

This post was originally published on this site.

Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny fikambanana EauSoleil Paca, notokanana ny tambajotra famatsiana rano fisotro madio amin’ny alalan’ny paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Nisy koa ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisitera sy ny EauSoleil Paca amin’ny fampiofanana, andiany faharoa, mahakasika ny fametrahana tambajotran-drano mampiasa ny herin’ny masoandro. Dingana lehibe ho an’ny fampianarana teknika no tanteraka, entina hamaliana avy hatrany ny filan’ny LTP Sambava sy ny mponina manodidina amin’ny rano fisotro madio, sady manome lanja ny angovo azo havaozina, ho fampandrosoana maharitra.

Ho fanampiana tosika ny fanohanana ara-pahasalamana ao amin’ny faritra Atsinanana, nanambara ny filoha tale jeneralin’ny Institut médical de Mada­gascar (IMM), teny amin’ny ivontoeram-pandrindran’ny BNGRC Toamasina, fa horaisin’ny IMM an-tanana ma­nontolo ny fanamboarana ny Bloc-Maternité eto amin’ny CHU Analakininina. Ankoatra izany, mbola hisy koa ny tohana fitaovana sy fanafody ho atolotr’izy ireo.

Tonga tamin’ity herinandro ity, teto Madagasi­kara, ny andiany voalohany amin’ny fanampiana avy amin’ny governemanta japoney ho an’ny traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany atsinanan’ny Nosy. Ny BNGRC no hikarakara ny fizarana ireo fitaovana ireo, raha ny fanazavana.

Partager sur:

Commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *