Vavaka

This post was originally published on this site.

Lahatsoratra tamin’ny 2 desambra 2006 ito. Mbola tsy ampy 21 taona, ka tsy manana «majorité civile» akory, ireo zaza teraka tamin’izany fotoan’andro izany. Moa tsy ny voalazan’ilay hira malazan’i Charles Aznavour hoe «hitanisa aminareo vanim-potoana tsy azo verok’ireo tsy feno roapolo taona aho». Vavaka roapolo taona lasa, mbola tsy tanteraka aloha hatreto. Avela ho hafatra ho an’ny roapolo taona hafa manaraka. 

« Zanahary ô, tahio, ny tanindrazanay, handry fehizay ». 

.Indray andro any, asa rahoviana marina, rehefa tsara levenana ireo mpandoto rano nandritra ny efapolo taona lasa, mba hilamina toy ny fahita any amin’ny demokrasin’ny tany mandroso ny fanaovana politika eto Madagasikara.

.Indray andro any, izay maharitra anie ka ho vadin’Andriana, tsy fitanisana bileta banga, kara-pifidianana diso, isan’ny birao fandatsaham-bato mitombo an-dalana, no hany resaka fa izay hambom-po tsara indrindra ho an’i Madagasikara no hiadiana hevitra.

.Indray andro any, enga anie ka mbola hisy izany hoe Madagasikara ary ny Malagasy tsy mbola voazimba ho « Aborigènes » ara-tsaina ka kely sisa hananana azy, mba ho tan-dalàna tokoa ny mpitondra ary tsy ho jiolahim-boto ny mpanohitra. Ny andaniny sy ankilany hiasa araka ny Lalam-panorenana ka hanome aina ny Antenimiera.

.Indray andro any, matezà ny aina, ny tsirairay samy hahay manaja fe-potoana : ny tompon-toerana tsy hingoso hoe « tsy hiala aho ! » ary ny mpandimby tsy hioty manta eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. 

.Indray andro any, hifankahita tokoa ny velona, i Madagasikara hahatsiahy fa Nosy izy, miavaka ary matin-kambo anivon’ny riaka. Teny mitokana, fokom-pirenena mahavaky vava, ranomasina valam-parihy miaro amin’ny fifangaroana. 

.Indray andro any, sanatria tsy tamberin-tany, ny mponina ety hahatadidy ny Tantara ka hanoratra sy hanao tsianjery fa izany Madagasikara izany ka efa nisy talohan’ny 26 jiona 1960, taloha lavitra ny 6 aogositra 1896, satria ny 23 oktobra 1817 no vita sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena voalohany teo amintsika sy ny Britanika. 

.Indray andro any, ho tsarain’ny taranaka fara aman-dimby, mba tsy ho angano sy arira izany fa « Madagasikara nosy sarobidy sy masina tokoa », ilay « lovasoa nomen’ny Razanay taloha », hijoro sy hitraka ary hiala amin’izao toe-karena androrosy izao. 

.Indray andro any, teny ifanomezana, fari-bava apetraka, hafatry ny maty, Madagasikara ho tany sambatra tokoa. Ho vita ny lalana avaratra hianatsimo, atsinanana hiankandrefana, afovoany ho any anindrana. Izay marary tsy ho voatery haondrana any Andafy. Ny fianarana tsy ho mena mitahy amin’ny an’ny hafa. Ny vary tsy ho lany laniana ka hisy ambim-bava. 

.Indray andro any, nofy ve izany, hahate-honina Madagasikara ka ny Malagasy tsy ho voaozona intsony hila ravin’ahitra any Andafy ary ny Nosy tsy ho tanindrazana hanaterana nofo mangatsiaka. 

Indray andro any, lefon’omby sy velirano, teny ifanomezana, ho tanteraka tokoa anie izany. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *