Auteur/autrice : Faniry

  • TAMBABEN’NY MPITOLONA “Mitaky fanovana rafitra sy olona ny fanavaozana”

    TAMBABEN’NY MPITOLONA “Mitaky fanovana rafitra sy olona ny fanavaozana”

    This post was originally published on this site.

    “Fanavaozana sy ny fanarenana ireo tsy mety rehetra izay mitaky fanovana olona sy rafitra ary fitantanana mangarahara” no nasongadin’ny Tambaben’ny Mpitolona, tamin’ny fanambaran’izy ireo, ny alarobia 17 martsa 2026, teny Andrefanambohijanahary. Mampiverina hatrany ny tolona mantsy ny fahazoan’ireo tsy nitolona toerana kanefa ireo nitolona no niharitra ny mafy, hoy hatrany ny fanazavana.

  • ALAOTRA MANGORO IRAY FEO Miantso ny filoha mba hitsidika azy ireo

    ALAOTRA MANGORO IRAY FEO Miantso ny filoha mba hitsidika azy ireo

    This post was originally published on this site.

    Vontoatin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay notontosain’ireo fikambanana “Alaotra Mangoro Iray Feo” izay nahitana ny fikambanana KMT, FIAMIS, GEN Z TANTSAHA sns… avy any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny fiantsoana ny filoha, kolonely Randrianirina Michael, mba hitsidika ny faritra Alaotra Mangoro. Misedra olana mantsy ity faritra ity amin’izao fotoana izao indrindra fa ny eo amin’ny lafiny vidim-bary. Mangataka ny hijerena ny mba handafosana ny vary ny fikambanana. Mbola mahatratra hatrany amin’ny 40.000 taonina ankehitriny ny vary mbola tsy lafo any an-toerana. Mangataka araka izany ny fikambanana mba hisy zanakin’ny faritra handrafitra ny governemanta izay vao atsangana. Tanjona ny mba hafahana mitondra fampandrosoana misimisy kokoa any amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Ny fikambanana izay niarahaba ny praiminisitra vaovao, araka ny fanazavana voaray.

  • VOVONANA MAFI-M Manohana ny ezaky ny fitondram-panjakana

    VOVONANA MAFI-M Manohana ny ezaky ny fitondram-panjakana

    This post was originally published on this site.

    Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny alarobia 18 martsa 2026, teny Antaninarenina, ny fijoroan’ny Vovonana Mijoro ho An’ny Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara na ny MAFI-M. Tanjon’ny Vovonana ny hanamafy orina ny fitantanana madio sy mangarahara mba hampisy ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Hanamafy orina ihany koa ny fitantanana mpandray anjara ny vondron’olona ifotony. Ankoatra izay, ny fitantanana mametraka ny olom-pirenena ho tompon’andraikitra eo amin’ny faritra sy kaominina misy azy. Manohana ny ezaky ny fitondram-panjakana ihany koa ny MAFI-M. Hitondra anjara biriky araka izay tratra amin’ny fiarovana ny tanjon’ny Fanavaozana eto Madagasikara.

    Ny fampiofanana ny tanora mba hanana fahaiza-mitarika mankany amin’ny fandrosoana sy fahaiza-manao amin’ny famoronana asa mahavelona. Ny fanohanana ny politika manome lanja ny fanabeazana. Ny fanomezana tan-tsoroka ny eny ifotony. Ny fanabeazana ny olom-pirenena tompon’andraikitra manoloana ny raharaham-pirenena sy ny tontolo iainana. Ny fampandraisana anjara ny eny ifotony mahakasika ny fitantanana ny fokontany sy ny kaominina ary ny faritra misy azy ireo, no anisany himasoan’ny MAFI-M. Teny filamatry ny Vovonana MAFI-M, ny hoe: “Fampandrosoana ifotony, loharanom-pahombiazana”, araka ny fanazavana voaray.

  • ZAVA-PISOTRO VAOVAON’NY STAR Efa misy amin’ny fonosana “canette”

    ZAVA-PISOTRO VAOVAON’NY STAR Efa misy amin’ny fonosana “canette”

    This post was originally published on this site.

    Namoaka zava-pisotro vaovao amin’ny fonosana “canette” ny Star. Tanjona ny hiarovana hatrany ny tontolo iainana manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro. Eo ihany koa ny hahafahana mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ankoatra ireo dia eo ny ezaka fanatsarana sy ny fanavaozana entin’ny orinasa dia ny famaliana ny hetahetan’ny mpanjifa izay mitady zava-pisotro mora entina sy azo sotroina na aiza na aiza. Miisa efatra ireo zava-pisotro vaovao ireo dia ny FRESH, CAPRICE sy WOCO ary XXL amin’ny endrika “canette”. Ny FRESH amin’ny endrika “canette” dia vokatra voalohany eto Madagasikara. Jifaina amin.ny vidiny Ar 3.500. Ity vokatra FRESH ity izay manampy ny FRESH amin’ny tavoahangy 65cl sy 33 cl. Ny CAPRICE izay misy tsiro Bonbon Anglais sy Orange ary Grenadine ihany koa dia efa misy amin.ny canette. Jifaina amin.ny vidiny Ar 2.500. Ny WOCO izay amin’ny tsiro Cola dia nampiana ny WOCO en canette. Jifaina amin.ny vidiny Ar 2.500. Ny XXL amin’ny endrika canette 33cl izay zava-pisotro manome hery dia azo jifaina amin’ny vidiny Ar 4.000. Tsy mitsahatra manolotra vokatra hatrany araka izany ny Star. Azo jifaina eny amin’ireo toeram-pivarotana maoderina eto amimtsika ny vokatra. Manomboka eto Antananarivo ny fitsinjarana azy ireto. Haparitaka manerama ny Nosy izany avy eo, hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Star.

  • VEHIVAVY MPIASAN’NY STAR : Nanolo-tanana ny hopitaly HUJRA

    VEHIVAVY MPIASAN’NY STAR : Nanolo-tanana ny hopitaly HUJRA

    This post was originally published on this site.

    Fanolorana kidoro izay natokana ho ampiasain’ny hopitaly HUJRA Ampefiloha sy fanolorana “EAU VIVE” ho an’ireo marary sy ireo mpitsabo ao amin’ity hopitaly ity no nentin’ny vehivavy mpiasan’ny STAR, nankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, izay marihana isaky ny 8 martsa. Fihetsika tsotra kanefa manan-danja ho an’ity hopitaly ity, ny fahatongavan’ireo solontena avy amin’ny STAR, nanolotra ireo fitaovana ireo. Hahafahana manatsara ny fandraisana ireo marary eny amin’ny hopitaly ireo fitaovana. « Ny fananana fitaovana tsara kalitao no fototra voalohany hisian’ny fitsaboana mendrika », araka ny fanazavan’ny Talen’ny Serasera ao amin’ny STAR, Randriambolamanana Seheno. Anton’izao fanomezana tanana izao, araka ny fanazavana voaray.

  • VONDRON’NY MPITOLONA ETO MADAGASIKARA : Tokony ho Mpitolona no ho Praiminisitra

    VONDRON’NY MPITOLONA ETO MADAGASIKARA : Tokony ho Mpitolona no ho Praiminisitra

    This post was originally published on this site.

    Vontoatin’ny fanambaran’ireo Vondron’ny Mpitolona eto Madagasikara, ny alakamisy lasa teo, teny Mahamasina, ny filazana fa mba tokony ho Mpitolona sy mahafantatra ny atao hoe tolona ary ny antony nitolomana no apetraka ho Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta fa tsy ho olona izay tsy hahavaly izany fitakiana izany. Ireto Vondron”ny Mpitolona eto Madagasikara ireto izay efa nanolotra anaran’olona ihany koa ho eo amin’izany toerana izany. Andrasan’izy ireo araka izany izay anarana hivoaka eo. Nanamafy ireto Vondron’ny Mpitolona eto Madagasikara ireto fa hanome 3 volana izay Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ho avy hanombanana ny asany ka raha tsy mahavita izany asany izany izy dia ho esorina avy hatrany. Tsy ireto Vondron’ny Mpitolona eto Madagasikara ireto ihany no efa nanolotra anarana ho eo amin’izay toeran’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta fa efa nisy ihany koa ny mponina any amin’ny Faritra, Fikambanana sy Vovonana ary ireo maro samihafa.

  • BNGRC : Nanao tatitra

    BNGRC : Nanao tatitra

    This post was originally published on this site.

    Tatitra mahakasika ny fandalovan’ny rivo-doza GEZANI, tany Toamasina, no vontoatin’ny fampiantsoan’ny “Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes” na ny BNGRC, ny mpanao gazety, teny amin’ny foiben-toerany, ny alakamisy 12 martsa 2026. Tatitra izay niompana tamin’ny fotoana niasan’izy ireo tany an-toerana nandritry ny 15 andro.

    Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel, dia miisa 62 no namoy ny ainy raha manodidina ny 17.000 ny isan’ireo tokantrano traboina. Vary 1050 taonina no efa nozaraina tamin’ireo traboina ireo hatramin’izao. Noho i Toamasina potika 95% dia ny kojakoja amin’ny fanamboarana trano toy ny fanitso no tena ilaina maika any an-toerana hoy hatrany ny nambaran’ny BNGRC. Ny sekoly sy ny hopitaly ary ny tranom-panjakana no ezahan’ny BNGRC hojerena amin’izao fahavoazana izao. Vonjy taitra ihany no niantsorohan’ny BNGRC tao anatin’ny fotoana voafaritra fa mbola handray an-tanana ny fiatrehana ny fanarenana tsikelikely ny andavanandron’ny mponina indrindra fa ireo marefo anefa izy ireo, ao anatin’ny 30 andro manaraka.

    Ny BNGRC sy ny Ambatovy dia niara-niasa tamin’ny hahafahana miatrika ny fandalovan’ny rivodoza GEZANI. Tsy voasakana anefa izany satria dia izao rava tanteraka izao Toamasina, hoy hatrany ireo tomponandraikitra ao amin’ny BNGRC. Ny BNGRC izay tsy mandray mivantana ny vola fanampiana avy any amin’ireo Iraisam-pirenena fa efa misy ireo Ambaratonga mahefa miandraikitra izany. Ireo fanampiana avy amin’ny olon-tsotra sy ireo mpiara-miasa aminy kosa no tonga dia movantana any amin’ny BNGRC, arahk ny fanazavana voaray hatrany.

  • VOVONANA LEHIBE TAFARAI Nanolotra fanampiana an’i Mongo

    VOVONANA LEHIBE TAFARAI Nanolotra fanampiana an’i Mongo

    This post was originally published on this site.

    Tolo-tanana nisantaran’ny Vovonana Lehibe Tambajotra ny Fanavaozana Aro-Riaka amin’ny Andraikitra Iombonana na ny TAFARAI, ny hetsika ara-tsosialin’izy ireo, ny alarobia 11 martsa 2026, ny fanomezana fanampiana, ny mpilalao baolina lavalava avy eny Ankadifosty, i Mongo, izay niditra hopitaly noho ny dona nahazo azy. Ny Vovonana Lehibe TAFARAI izay hivondronan’ireo Fiarahamonimpirenena, ONG, Fikambanana tsy miankina, miisa 217 manerana ny Nosy. Ity Vovonana Lehibe ity izay misehatra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona sy ny fanjakana tan-dalàna ary ny demokrasia ka tafiditra ao anatin’izany ny tontolon’ny fifidianana. Tanjon’ny filoha nasionaliny, Ramafandrahona Tafs, ny hijery izay fomba rehetra hanatsarana ny lafiny ara-tsosialy.

  • FIKAMBANANA MAAMMI Hanolo-tanana ny traboina any Toamasina

    FIKAMBANANA MAAMMI Hanolo-tanana ny traboina any Toamasina

    This post was originally published on this site.

    “Andao ampio re izy”, io no lohahevitry ny fampisehoana ara-pilazantsara hotanterahan’ireo fikambanana Mpanakanto Ara-pilazantsara sy Antokom-pihira Mitambatra na ny MAAMMI, mba hanampiana ireo traboina any Toamasina, noho ny fandalovan’ny rivo-doza “Gezani”. Fampisehoana ara-pilazantsara izay hatao eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy 14 martsa 2026. Ity hetsika tolo-tanana izay hifandimbiasana mpanakanto miisa 40 hiaka-tsehatra ity dia ho maimaim-poana ny fidirana raha afaka manolotra izay foiny ny tsirairay. Anisan’ireo hiaka-tsehatra ny tarika Gasy Tsara Midera, Noely, Fanilo, Antsa an’i Kristy, Ambohijatovo Fitiavana, Rojon’i Avo, Mialy Rakotomamonjy, Ndriana Ramamonjy sy ireo maro samihafa, araka ny fanazavana voaray, teny Antanimena, ny alarobia 11 martsa 2026.

  • FIKAMBANANA “WMG” Namoaka ny andiany “Lafatra”

    FIKAMBANANA “WMG” Namoaka ny andiany “Lafatra”

    This post was originally published on this site.

    Navoakan’ny fikambanana “Wednesday Morning Group”, na ny WMG, tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny foiben-toerany Ambatoroka, ny alarobia 11 martsa 2026, ireo mpiofana momba ny “digitale”, “informatique” sy ny “crochet” ary ny zaitra rehefa avy niofana nandritry ny telo volana tao aminy. Ity andiany izay miisa 14 ity dia nampisalorana ny anarana hoe: “Lafatra”.

    Tanjon’ny fampiofanana izay iantsorohan’ny fikambanana ny mba hahatonga ireo mpiofana ireo hiasa tena. Dimy taona izao no nitantsoroka ny fampiofanana ny vehivavy malagasy mba hananan’izy ireo fahaleovan-tena avy hatrany eo amin’ny sehatry ny fihariana ny “WMG”. Ny taona 2025 dia nampianatra ireo mpiofana mahakasika ny zon’ny vehivavy ny fikambanana satria tsara raha mahafantatra ny zo sy ny lalàna ny vehivavy. Vina apetraka ny mba hananan’ny vehivavy fahaleovan-tena mba hahafahany manapa-kevitra amin’izay reheetra ataony.

    Nandritry ny 60 taona nijoroan’ny fikambanana “WMG” dia nisehatra teo amin’ny lafiny ara-tsosialy hatrany izy. Efa aman-jatony ny isan’ireo mpiofana tao amin’ny fikambanana “WMG”, hatramin’izao. Ankoatra ireto mpiofana navoaka tamin’ny andiany “Lafatra” ireto dia nandray ny Andiany “Meva” izay niisa 20 ihany koa ny “WMG”. Nanomboka ny volana martsa 2026 dia misy sekoly fampiofanan’ny fikambanana ihany koa any Andakana. Manana sekoly fampiofanana eny Alakamisy Fenoarivo, ny “WMG”, araka ny fanazavana voaray, teny Ambatoroka.