Auteur/autrice : Faniry

  • KFIM NIHAONA TAMIN’NY SADC Nanamafy ny hisian’ny dinika eo amin’ny samy Malagasy

    KFIM NIHAONA TAMIN’NY SADC Nanamafy ny hisian’ny dinika eo amin’ny samy Malagasy

    This post was originally published on this site.

    Ny hisian’ny dinika eo amin’ny samy Malagasy dia anisany tokony himasoana, io no nohantintranterin’ny Filohan’ny KFIM, Rabevahiny Elia, raha nihaona tamin’ny SADC, izy ireo.

    Tsy miankina amin’ny SADC rahateo ny vahaolana maharitra ho antsika Malagasy fa isika Malagasy ihany no hamaha ny olantsika. Ny KFIM dia manamafy fa misokatra amin’ny adihevitra hatrany izy ireo mba hamahana ny krizy miverimberina eto amin’ny firenena. Tokony hajanona ny kajikajy politika maloto. Henatra ho antsika Malagasy izany indrindra fa eo imason’ireo vahiny izay manaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena. Tsy nandray anjara tamin’izany fakan-kevitra izay tsy fantatray izany ihany koa izahay, hoy hatrany ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitarika ny KFIM, Rabevahiny Elia. Ny KFIM izay anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fihaonana tamin’ny SADC taorian’ny fanoloran’ny fitondrana ny tetiandron’ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fifidianana, araka ny fanazavana voaray hatrany.

  • FIKAONAN-DOHAM-PIRENEN’NY TANORA Hotanterahina eny Ivato

    FIKAONAN-DOHAM-PIRENEN’NY TANORA Hotanterahina eny Ivato

    This post was originally published on this site.

    Ny tanora rehetra eto an-toerana sy any ampitan-dranomasina dia entanina mba handray anjara, amin’ilay “Fikaonandoham-pirenen’ny Tanora”, izay karakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, eny amin’ny CCI Ivato, ny Alarobia 11 martsa 2026. Na tanora mpianatra na tanora mpiasa na tanora mpandraharaha na tanora avy amin’ny fikambanana maro samihafa na tanora misehatra amin’ny lafiny politika, sosialy sy ny maro samihafa dia afaka manatrika izany avokoa. Tsy anavahana sokajin’ny tanora ity hetsika ity noho izy io sehatra iray lehibe hahafahan’izy ireo haneho ny heviny. Ny tanora no hamolavola ireo lalana rehetra hitondrana ny firenena. Hanamora ny fandrindrana ny fikaonan-doha ny tompon’andraikitra mpikarakara, araka ny fanazavana voaray, teny Mahamasina, ny alatsinainy 9 martsa 2026.

  • “ALLIANCE AIKA” Nampahafantatra ny vokatry ny “COP30”

    “ALLIANCE AIKA” Nampahafantatra ny vokatry ny “COP30”

    This post was originally published on this site.

    Ny atrikasa nasionaly fampahafantarana ny vokatry ny fandraisana anjaran’ny tanora malagasy tamin’ny “COP30”, tany Belem, no hetsika notontosain’ny “Alliance Aika”, teny Ankerana. Atrikasa izay nandraisan’ireo mpanao politika, mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ary ireo tanora tapa-kevitra hanova ny fifampiraharahana iraisam-pirenena ho asa mivaingana ho an’i Madagasikara, anjara. Izy ireo izay nahatratra 144 isa. Teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD) sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS) ary ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara izay nanohana ny hetsika, ity atrikasa nasionaly ity. Ny “MEDD” sy ny “MJS” izay nanasongadina ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ireo andrim-panjakana sy ny hafanam-pon’ny tanora amin’ny fitakiana ny rariny ara-toetrandro. Ankoatra izay dia nibahan-toerana tamin’ity atrikasa nasionaly ity ny fiofanana sy fifanakalozan-kevitra momba ny toetrandro ary ny fifampiraharahana iraisam-pirenena. Tsy fampisehoana tsotra fotsiny ihany ity fihaonana ity fa dingana lehibe ho an’ny fitantanana ny toetrandro eto Madagasikara indrindra fa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora amin’ny adisisika ho fanomanana ny COP manaraka, araka ny fanazavana voaray.

  • MPIASA SY SENDIKAN’NY MINAE Miroso amin’ny fitokonana faobe

    MPIASA SY SENDIKAN’NY MINAE Miroso amin’ny fitokonana faobe

    This post was originally published on this site.

    Miroso amin’ny fitokonana faobe ao anatin’ny 48 ora ireo mpiasa sy sendikan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana na ny MINAE, araka ny fampahafantarana notontosain’izy ireo, ny alatsinainy 9 martsa 2026, teny Ampandrianomby. Anton’izao fitokonana faobe izao, ny olana izay mbola tsy nahitam-bahaolana ao amin’ity ministera ity. Anisan’izany olana izany ny fitakian’ny mpiasan’ny MINAE, ny “Direction Générale Elevage” sy ny “Direction Générale Agriculture”. Eo ihany koa ny fitakian’ny Sendikan’ny Mpiasan’ity Minisitera ity sy ny Mpiasa ny “Fanavaozana tena izy” ao amin’ny MINAE. Mitaky fitantanana madio ny mpiasa sy ny sendika ao amin’ny MINAE, araka ny fanazavana voaray.

  • “IAIM ASSOCIATION” Misehatra amin’ny fisahanana ny vehivavy sy ny sosialy

    “IAIM ASSOCIATION” Misehatra amin’ny fisahanana ny vehivavy sy ny sosialy

    This post was originally published on this site.

    Ny vehivavy mba ho hijoro sy ho sahy handray andraikitra hampandrosoana ny firenena ny “Iray Avao Isika Malagasy Association” na ny IAIM Association. Antom-pijoroan’ny fikambanana ny hisehatra amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ny fisahanana ny vehivavy. Vonona ny hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena. Manohana ny fitondram-panjakana izay mijoro. Efa misandrahaka manerana ny Nosy ny IAIM Association. Hanatanteraka Fivoriam-be ny zoma 27 martsa 2026 eny Mahamasina. Nandray anjara tamin’ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena momba ny zon’ny vehivavy izay nankalazaina ny alahady 8 martsa 2026, ny IAIM Association, araka ny fanazavana voaray.

  • ANDRO IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY ZON’NY VEHIVAVY Nandray anjara tamin’ny diabe ny Vehivavy Apokalypsy

    ANDRO IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY ZON’NY VEHIVAVY Nandray anjara tamin’ny diabe ny Vehivavy Apokalypsy

    This post was originally published on this site.

    Hery iray entina mampandroso ny firenena ny vehivavy. Manana ny heviny ny vehivavy fa tsy miady fahefana amin’ny lehilahy. Mitaky ny zo tokony hositrahany ihany koa anefa vehivavy. Andrasana amin’ny alalan’ny finoana sy ny fangatahana avy amin’Andnamanitra izany amin’ny mahavehivavy amin’ny Fiangonana Apokalipsy anay, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Vehivavy Apokalypsy. Anisan’ireo nilahatra nanao diabe niaraka tamin’ny hetsika notontosain’ny fitondram-panjakana ny Vehivavy avy ao amin’ny Fiangonana Apokalypsy, ny alahady 8 martsa 2026, teny Anosy. Diabe niainga teny Antanimbarinandriana ka niafara teny amin’ny Tribonaly Anosy. Tamin’io fotoana io no Andro nanamarihana ny zon’ny vehivavy.

  • « GEN Y MADAGASCAR OFISIALY » Mitaky ny fanesorana sy ny fialan’ny Praiministra

    « GEN Y MADAGASCAR OFISIALY » Mitaky ny fanesorana sy ny fialan’ny Praiministra

    This post was originally published on this site.

    Vontoatin’ny fanambaran’ny « GEN Y Madagascar Ofisialy », nandritry ny fivoriam-ben’izy ireo, ny sabotsy 7 martsa 2026, teny Mahamasina, ny fitakiana ny fanesorana sy ny fialan’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta, ao anatin’ny 72 ora. Ny « GEN Y Madagascar Ofisialy » izay mametraka hatrany ny « Miara-mitolona ho an’ny taranaka ». Isika tanora no nametraka izao Fitondrana izao dia isika tanora ihany koa no handeha hifanome tanana hanampy ny mpitondra mba hahatanterahana ny « Fanavaozana ». Betsaka ny mila hahitsy ary hiarahana mientana isika hanarina ny Firenena ho tombontsoan’ny taranaka. Koa handeha isika hanao tongotra miara-mamindra, soroka miara-milanja, fo miara-mitempo ho fanovana eto amin’ny Firenena. Miainga avy amintsika tsirairay avy, ny fanovana, hoy ny fanazavana.