Auteur/autrice : Faniry
-

“FOIRE INTERNATIONALE DE MADAGASCAR” : Ambohim-pihaonan’ny mpandraharaha Malagasy
This post was originally published on this site.
Ny “Foire Internationale de Madagascar” na ny FIM, andiany faharoa, indray no hisantaran’ny orinasa “MadaVision”, ny hetsika ara-toekarenany izay karakarain’izy ireo amin’ity taona ity. Lohahevitra entina hanamarihan’izy ireo izany ny hoe : “Madagasikara mihetsika ara-toekarena”.
Ny 7 ka hatramin’ny 10 may 2026, eny amin’ny CCI Ivato no hanatanterahana izany. Mpandray anjara miisa 350 izay avy amin’ny mpandraharaha vao misondrotra sy salantsalany ary vaventy no hampiranty ny vokatra vokarin’izy ireo mandritry ireo fotoana ireo. Vina apetrakin’ny tompon’andraikitra mpikarakara, ny orinasa “MadaVision”, ny hampiakatra ny toe-karem-pirenena amin’ny alalan’ ny fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny samy mpandraharaha. Eo ihany koa ny hampiakarana ny lentan’ny samy mpandraharaha mba ho amin’ny toerana ambony kokoa.
Ny fanoloran-tanan’ny orinasa “MadaVision” ny mpandraharaha eto Madagasikara no anjara biriky entin’izy ireo amin’ny fampandrosoana ny Nosy. Eo ihany koa ny mba samy hahazoan” ireo samy mpandraharaha tombontsoa iraisana. Mialohan’ny hetsika eny amin’ny CCI Ivato dia hihaona, eny Antanimena, ny tompon’andraikitra mpikarakara sy ireo mpandray anjara, ny 4 febroary 2026. Aorian’ity hetsika ara-toekarena “FIM” karakarain’ny orinasa “MadaVision” ity dia ny “Salon de Transport ” izay hotanterahina ny 11 ka hatramin’ny 18 jona 2026 no hotanterahan’izy ireo. Aorian’ireo ny “Salon International de la Gastronomie “, ny 10 ka hatramin’ny 13 septambra 2026. Eo ihany koa ny “Salon International de l’Habitat “, ny 22 ka hatramin’ny 25 oktobra 2026, araka ny fanazavana voaray, teny Ambohimanarina.
-

ONIVERSITE TSY MIANKINA GSI : Nifampiarahaba noho ny taona vaovao sady nitrotro am-bavaka ny taom-pianarana
This post was originally published on this site.
Ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao sy ny fitsofan-drano ny Fianakaviamben’ny Oniversite tsy miankina GSI manerana ny Nosy no fitrotroana am-bavaka notontosain’izy ireo teny amin’ny Ekar Faravohitra, ny alakamisy 29 janoary 2026. Ny GSI rehetra Analakely, Antaninarenina, ByPass sy Antsirabe ary Toamasina dia hita teny an-toerana avokoa tamin’io fotona io. Tonga nanotrona ny fotoana ihany koa izy mivady Filoha Tale Jeneraly mpitantana ny Oniversite tsy miankina GSI. Tonga nanatrika ny fotoana ankoatra azy ireo ireo Raiamandreny, ray aman-dreny sy mpanabe ary mpitantana maro samihafa ao amin’ity Oniversite tsy miankina ity. Nanolotra solombodiakoho ny Filoha Tale Jeneraly mivady ireo rehetra tonga teny an-toerana. Notontosaina ny Fitrotroana am-bavaka satria dia Oniversite tsy miankina manaja ny lafiny telo mahaolona ny GSI dia ny fanahy sy saina ary vatana. Tsy fandrantoana fahaizana amam-pahalalana ihany araka izany ny GSI fa tena Oniversite tsy miankina manabe amin’ny lafiny rehetra. Nirary soa ny Fianakaviamben’ny GSI ihany koa araka izany izy mivady Filoha Tale Jeneralin’ity Oniversite tsy miankina ity. Tanjona ny mba hahaleo hahalasana azy ireo. Ahitana Lalam-piofanana maro ny Oniversite tsy miankina GSI. Mamoaka andiana mpianatra ihany koa isan-taona, araka ny fanazavana voaray.
-

FANKALAZANA NY FAHAZATO TAONA NAHATERAHAN-DRAJAONA SIMÉON RÉGIS “RAJAONA Siméon, andrarezin’ny fikarohana momba ny teny sy ny haisoratra malagasy” no lohahevitra
This post was originally published on this site.
“RAJAONA Siméon, andrarezin’ny fikarohana momba ny teny sy ny haisoratra malagasy”, io no lohahevitry ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fanamarihana ny fahazato taona nahaterahan-dRAJAONA Siméon Régis, Professeur Titulaire Émérite, Docteur Honoris Causa. Ny Zanatsehatra Malagasy sy ireo mpiara-miasa ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, miaraka amin’ny fianakaviana (taranaka) sy ireo nofaniny na akaiky azy araka izany dia mampahafantatra fa hisy ny fanamarihana ity fahazato taona nahaterahan-dRajaona Siméon Régis ity.
Manomboka ny 18 febroary 2026 ka hatramin’ny 18 febroary 2027 izany. Hahitana hetsika ara-tsiantsa sy ara-kolontsaina samihafa izay omban’ny lanonam-panjakana hatrany ny fankalazana. Ankoatra izay, fandaharam-potoana ankapobeny ny hetsika, ny 18 febroary 2026: ny fanombohan’ny fifaninanana asasoratra. Ny 28 febroary 2026 dia hisy ny Fanompoam-pivavahana eny amin’ny EKAR Ankadivato. Ny 26 sy ny 27 martsa 2026 dia hotokanana ny Arabe Rajaona Siméon sy ny fijoroana vavolombelona. Hotanterahana ihany koa ny Fikaonan-doha iraisampirenena. Ny volana may 2026 dia hanangana ny toerana fonenany eny Antsahabe ho vakoka, ny komity mpikarakara ny fahazato taona. Ny 23 jona 2026 ny fanolorana ny revio HIRATRA 7 sy ny boky mirakitra ny fikaonan-doha. Ny 06 novambra 2026 no hanambarana ny vokatra fifaninanana asasoratra. Ny 18 febroary 2027 no hanolorona ny boky raki-piainan’i Siméon Rajaona. Ny fanolorana loka ho an’ny mpandresy ihany koa.
Rajaona Siméon Régis izay nanoratra boky maro isan-karazany mikasika ny teny sy ny haisoratra malagasy. Anisan’izany ny “Takelaka notsongaina I sy II”, ny Raki-bolana-Raki-pahalalana”. Rajaona Siméon Régis dia anisan’ireo Olomangan’ny literatiora sy ny fampianarana teto Madagasikara na nampianatra tany Frantsa aza ny tenany. Niverina teto an-tanindrazana izy ary nanangana ny Oniversite teto Madagasikara. Izy no Sojabe malagasy voalohany teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, araka ny fanazavana voaray, teny Ankatso, ny alakamisy 29 janoary 2026.