Auteur/autrice : Faniry
-

“DIASPORA” SY NY FITONDRAM-PANJAKANA Miara-miasa amin’ny fanamafisana ny “Connect’Diasporas”
This post was originally published on this site.
Tanjon’ny tetikasa “Connect’Diasporas” ny hanamafy ny fiaraha-miasa maharitra mahakasika ny fametrahana fototra ho an’ny ” feuille de route Diaspora-Autorités”. Ity fiaraha-miasa ity izay miorina amin’ny “Diaspora” sy ny fitondram-panjakana Malagasy. Anton’ilay atrikasa nokarakarain’ny “FORIM” sy ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny Malagasy ary ny “FACT Madagascar “, ny 21 janoary 2026, teny Anosy. Niara-nifandinika tamin’ny atrikasa ka nitondra ny anjara birikiny ireo solontenan’ny Fitondram-panjakana, ny fiarahamonim-pirenena sy ny sehatra ara-toekarena ary ny “Diaspora”. Ity tetikasa “Connect’Diasporas” izay vatsian’ny Vondrona Eoropeanina ity dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa “Migration et Mobilité pour le Développement” na ny MMD III. araka ny fanazavana voaray.
-

COLLECTIF DU MOUVEMENT GEN Z Handray anjara amin’ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena
This post was originally published on this site.
“Handray anjara amin’ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena ny Collectif du mouvement Gen Z sady hiady hevitra ihany koa”, hoy Rakotondravelo Mihary, filohan’ny Collectif du mouvement Gen Z. Tsy mitazam-potsiny fa mihetsika ireo tanora mivondrona ao amin’ny Collectif du mouvement Gen Z amin’ny fandraisana andraikitra eto amin’ny Firenena amin’izao Fitondrana izao. Nisy ny fihaonan’izy ireo tamin’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Hanitra Razafimanantsoa, ny sabotsylasateo, teny Mahamasina. Ny fametrahana ny fototra ahafahana miroso amin’ny fikaonandoham-pirenena no teboka voalohany naroso tamin’izy ireo tamin’izany, izay tena mitana ny sain’ny mpanara-baovao satria tokoa miainga amin’io ny ahafahan’ny rehetra mitondra ny hetaheta sy ny zavatra tokony hiova eto amin’ny Firenena. Vonona ary efa manana hevitra sy olona handray anjara amin’io Fikaonandoham-pirenena hatao amin’ity taona ity moa ny Collectif du mouvement Gen Z ary efa miomana ny amin’izany izy ireo. Antony nahatonga ireo tanora ireo nihaona tamin’ny Minisitra, araka ny fanazavana voaray.
-

FAHA-10 TAONAN’NY AMITIE TV : Hosokafana amin’ny fotoam-bavaka etsy Mahamasina
This post was originally published on this site.
2016-2026. Feno folo taona amin’ity taona ity ny fahitalavitra rahavavy “Amitié télévision”, ka entina hanamarihana izany fankalazana ny tsingerintaona izany dia hisy ny hetsika goavana fiaraha-mivavaka hanasan’izy ireo ny olon-drehetra etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 25 janoary ho avy izao. Hetsika fanokafana ny taom-pankalazana izy io. ” Tao anatin’izay folo taona izay dia maro ny vokatra efa azo fa maro ihany koa no tanjona tsy tratra fa ezahina tratrarina amin’ity folo taona manaraka ity. Famonjena ny fanahin’ny olona no antom-pisian’ny Amitié Tv ary manana ny teny filamatra Manova olona, manova fiarahamonina izahay”, araka ny fanazavan’ny Pasitera Andry, mpikarakara ny hetsika fankalazana ny fahafolo taona. Fahitalavitra isan’ny niroborobo tao anatin’ny fotoana fohy tokoa ny Amitié Tv noho ireo fandaharana maro vokariny toy ny Vaovao, ny fialamboly ary tsy diso anjara ny Toriteny fampaherezana ny olona sy tena hahafantarin’ny besinimaro ity fahitalavitra ity. Mampiavaka azy ireo ihany koa ny fankasitrahana ny asa vitan’ireo mpanakanto amin’ny alalan’ny fanomezana fankasitrahana ireo mpihira ara-pilazantsara. Tsangambaton’ity fahafolo taona ity moa ny fividianana fitaovana vaovao hanatsarana hatrany ny fampitana ny fahitalavitra manerana ny faritra maro eto amintsika.
-

SALON DE L’ETUDIANT ETSY AMIN’NY LE PAVE ANTANINARENINA : Hetsika hanampiana ireo tanora amin’ny fandratoana fianarana
This post was originally published on this site.
Oniversite tsy miankina amin’ny Fanjakana, ivontoeram-piofanana ary ireo “Grande école” manodidina ny telopolo isa no azo tsidihana etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina mandritra ny roa andro dia ny 22 sy 23 janoary amin’ilay Salon de l’étudiant karakarain’ny Mada Jeune. “Tahaka ny fanaonay isan-taona dia tonga amin’ny andiany faharoa ny Salon de l’étudiant amin’ity taona ity izay fampahafantarana amin’ireo tanora ireo lalampiofanana arahina aorian’ny fahazoana ny diplaoma bakalorea. Manana safidy maro ireo tanora sy ray aman-dreny tonga eto satria tsy mivezivezy lavitra fa mivondrona amin’ny toerana iray ireo Oniversite sy Grand école ahafahana maka ny andininindiny rehetra. Ankoatra izay koa dia hanana tombony manokana izy ireo satria saika manana tolotra miavaka avy ireo mpandray anjara, toy ny fihenam-bidy sy fahafahana mandoa tsikelikely ny droit sy saram-pianarana. Ny fanampiana ny tanora sy ny ray aman-dreny amin’ny fanohizana fianarana moa no tanjona amin’izao hetsika izao, satria iaraha-mahalala fa tsy mahazaka ny isan’ny mpianatra afaka bakalorea ireo Oniversitem-panjakana eto amintsika. Mampiavaka ity andiany ity ny fahamaroan’ireo tolotra ho an’ireo mpianatra te handranto fianarana any ivelan’i Madagasikara. Tsy amin’ny toerana iray ihany fa saika manerantany satria misy ny any Canada, Eropa, Inde sy ny maro hafa”, araka ny fanazavan’i Miora Rabearisoa, tomponandraikitry ny Salon de l’étudiant.
-

DEPIOTE SAHONDRARIMALALA MARIE MICHELLE Naiditra am-ponja eny Avaradrano
This post was originally published on this site.
Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Avaradrano ny Solombavambahoakan’i Madagasikara ao Fianarantsoa voalohany, Sahondrarimalala Marie Michelle, halina tokony ho tamin’ny 9 ora mahery taorian’ny fiakarany teny anivon’ny Fitsarana Tampony Anosy. Fanakorontanana sy fanohintohinana ny filaminam-bahoaka no vesatra niampangana azy.
-

FAHALALAHANA MANEHO HEVITRA AN’HABAKA : Misokatra ny fakan-kevitra andiany faharoa
This post was originally published on this site.
Misokatra ho an’ny rehetra ny fakan-kevitra andiany faharoa amin’ny fahalalahana maneho hevitra an’habaka. Teboka lehibe maromaro no hojerena amin’izany dia ny famaritana ny anjara asan’ireo sokajin’olona misehatra amin’ny serasera an’habaka toy ny mpanao gazety matihanina, ireo mpampaneno lakolosy, ny infliansera sy ny maro hafa. Eo ihany koa ny hijerena ireo lalàna efa misy ary ny fiarahamiasa amin’ny mpiaramiombon’antoka sy ny mpahay lalàna amin’ny fandrafetana ireo hevitra voaangona ho lasa lalàna hatolotra eny amin’ny Antenimierampirenena. Tanàndehibe miisa folo farafahakeliny no hanatanterahana ity fakan-kevitra ity ary angonina aorian’izay ireo hevidehibe izay ho haravona havadika ho lalàna ho fiarovana ny asan’ireo mpisehatra an’habaka sy ny fahalalahana maneho hevitra. Hisy rahateo ny mpahay lalàna izay hiara-hiasa amin’ny komity mpandrindra ity fakan-kevitra ity mba handrefetana izany.
Solontenan’ny mpiaramiombon’antoka nitafa tamin’ny mpanao gazety ny zoma 19 janoary lasa teo teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny Maître Eric Rafidison izay nanambara fa “maro ireo mpanao gazety sy olon-tsotra nalefa tany am-ponja noho ny ny fanehoan-kevitra nataony nandritra ny fito taona farany tao anatin’ny Fitondrana farany teo”. Na nisy aza ny lalàna mifehy ny mpanao gazety dia mbola hita taratra ny finiavana hifehy ny asa fanaovan-gazety ka niteraka ireny fanagadrana sy fifandirana matetika teo amin’ny mpanao gazety sy ny mpitondra teo aloha. Mba tsy hiverenan’izay sy ho fiarovana ny zo amin’ny fahalalahana maneho hevitra no anton’izao fakan-kevitra ny rehetra izao hijerena manokana ireo andinin-dalàna mety mbola ahiana hanohintohina ny fahalalahana maneho hevitra manaraka ny soatoavina malagasy.
Tanjona moa ny ahafahan’ny rehetra haneho hevitra ankahalalahana ampahamendrehana tsy hanohintohina ny hafa manaraka ny soatoavina malagasy ka fahalalahana maneho hevitra tena izy no hisy satria izay ilay fanavaozana niadiana ho an’ny Firenena. Efa nisy ihany ny fanitsiana nentina tamin’ny fakan-kevitra andiany voalohany ny volana novambra 2025. Nanao antso tamin’ireo mpanao gazety ny Minisiteran’ny Serasera mba ho fanavaozana ny lalàna mifehy ny serasera misy. Taorian’izay dia nisy ny fametrahana ny komity manokana misolotena ireo mpanao gazety. Napetraka ny rijan-teny mikasika ny fanovana ny lalàna mifehy ny serasera ka hirosoana ny fandinihana ny fampiharana azy. Nojerena koa ny hametrahana ny didim-panjakana mametraka 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘦𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘰n𝘵𝘰𝘭𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘪𝘯𝘰 𝘷𝘢𝘬𝘺 𝘫𝘦𝘳𝘺 (𝐴𝑁𝑅𝐶𝑀). Antenaina hitondra fanavaozana lehibe amin’ny fahafahan’ny tsirairay haneho hevitra malalaka izao fakan-kevitra izao mba tena hitondra soa ho an’ny Tanindrazana ny serasera an’habaka amin’izao vanim-potoana iainana ao anatin’ny teknolojia an’habaka izao.
-

“ANTSON’NY TONTOLO MIAINA” ANDIANY FAHATELO Ny sabotsy ho avy izao no fotoana eny Ankorondrano
This post was originally published on this site.
Fanja R., Kiady Ratovoson, Iandry Randriamandroso, Jessica Solomon, Johary Ravaloson, Joan Razafimaharo, Miangaly Elia, Noely Ratsimiebo sy Rado Ramilison ary Sham’Archi. Ireo indray no mpanatalenta miisa folo handravaka ny “Antson’ny Tontolo Miaina” andiany fahatelo, amin’ity taona 2026 ity, eny amin’ny “Hangar Zone Zital” Ankorondrano. Hampiranty ny traikefa sy ny fahaiza-manao ary ny kanto voizin’izy ireo amin’ny alalan’ny famolavolana ny fitiavana ny hazo ireo mpanakanto ireo. Tanjona ny hisarihana ny tsirairay amin’ny fitiavana hazo. Izay rahateo no lohahevitry ny andiany fahatelo amin’ity fampirantiana “Antson’ny Tontolo Miaina ” ity na ny ” Dendrophile”. Hanomboka ny sabotsy 17 janoary 2026, eny amin’ny “Hangar Zone Zital” Ankorondrano. Hifarana ny 6 febroary 2026 ny fampahafantarana ny sanganasan’ireto mpanakanto ireto. Vina apetraky ny “Antson’ny Tontolo Miaina”, ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanehoana zava-kanto. Nanasongadina ny “Ravorona” ny lohahevitry ny andiany faharoa tamin’ny “Antson’ny Tontolo Miaina”. Niompana tamin’ny sehatry ny natiora sy ny lafiny tontolo iainana ny andiany voalohany, araka ny fanazavana voaray.