Auteur/autrice : Faniry
-

ALAIN ANDRIAMISEZA Mitaky ny hanesorana ny Praiministra
This post was originally published on this site.
Ny fanesorana io Praiministra tsy mahavaha olana io no takianay. Tsy mitondra mankany amin’ny “Fanovana” izay nimatimatesana ny zava-misy ankehitriny amin’ny “Fanavaozana”. Ankoatra izay dia tsy izaho izay anisany nametraka ny filoham-panjakana amin’izao fotoana izao ho eo amin’ny toerany no handeha hanongana azy. Antony nisamborana ahy tany Mahambo Toamasina satria nandeha ny resaka fa misy miaramila miara-mikononkonona fa hisy hanakorontana, ny 5 janoary 2026. Nandritry ny dimy andro no nakana am-bavany, ny tenako, teny Fiadanana. Ny 30 desambra 2025 no nisamborana ahy tany Mahambo Toamasina. Ireo no anisany nivoitra tamin’ny fampiantsoan’ny filoha mpitarika ny Vondrona Vovonana Tambabe Fanorenana ifotony Ho an’ny Tanindrazana na ny TAFITA, ny mpanao gazety, ny talata 6 janoary 2026, teny Mahazo.
-

FIKAMBANANA “GEN Y PLUS” Hotohizana hatrany ny fandraisana andraikitra amin’ny asa sosialy
This post was originally published on this site.
Fandraisana andraikitra tamin’ny fikarakarana sy fandefasana tany amin’ny an-tanindrazany ny razan’ireo mpivady niara-maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN 7, ny sabotsy 3 janoary 2026. Fitondrana anjara biriky, teny amin’ny hopitaly HUJRA Ampefiloha, tamin’ireo zaza navelan’ireo mpivady maty tamin’izany lozam-pifamoivoizana izany. Fanentanana ireo teraka avy any amin’ny distrikan’Ihosy monina eto Antananarivo, mba hifanolo-tanana amin’izao voina mahazo ny mpiray tanindrazana izao. Ireo no hetsika ara-tsosialy notontosain’ny fikambanana “GEN Y plus”, tamin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao. Ity fikambanana tarihan’ny filohany, Conan Volcan, ity ihany koa dia hanao ezaka fampitaovana ireo hopitalim-panjakana manomboka izao. Tanjona amin’izany fanampiana ny mpiara-belona izany ny hitondra fampandrosoana hatrany eto amin’ny firenena. Efa nandritry ny efa-taona no nijoro ny fikambanana”GEN Y plus”, araka ny fanazavana voaray.
-

“ASSOCIATION MUSULMANE AHMADIYYA” ENY TONGARIVO TANJOMBATO Nanohana ara-tsakafo ireo sahirana miisa 350
This post was originally published on this site.
Fanampiana ara-tsosialy ho an’ireo olona sahirana ara-pivelomana miisa 350 teny amin’ny fokontany Tongarivo Tanjombato no nentin’ny “Association Musulmane Ahmadiyya” nisantatra ny taona vaovao tamin’ity taona 2026 ity. Fanampiana ara-tsosialy izay nanolorana vary sy paty ary siramamy, ny alahady 4 janoary 2026, teny amin’ny “Mosquée Tongarivo Tanjombato. Tanjon’izao fampisitrahana ara-tsakafo izao ny fanehoana ny firaisan-kina sy ny fitiavana eo amin’ny fikambanana sy ireo mpiara-belona aminy. Saika nahazo ity tolo-tanan’ny fikambanana ity avokoa ireo mpiara-monina amin’izy ireo eny an-toerana. Tsy nisy fanavankavahana na ara-pivavahana na ara-poko na ara-bolon- koditra na zom-pirenena ny fanomezana. Ny disadisa mahakasika “Mosquée” ihany koa ankehitriny dia efa niravona na mbola tsy mivavaka ao amin’izany toerana izany aza ireo mpino silamo. Notontosain’ny “Association Musulmane Ahmadiyya” eny Tongarivo Tanjombato tamin’izao hetsika izao ny teny fanevan’izy ireo manao hoe: ” fitiavana ho an’ny rehetra, tsy fankahalana ho an’iza na iza”, araka ny fanazavana voaray.
-

KAOMININA AMPITATAFIKA Niisa 360 ireo nampisitraka fanomezana
This post was originally published on this site.
Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny farany taona ary ny taom-baovao ireo sahirana ara-pivelomana eny amin’ny kaominina Ampitatafika. Nampisitrahan’ny Ben’ny tanàna, Ramparaoelina Rado sy ireo mpiara-miasa aminy, vary, menaka, paty sy vovo-tsavony ary Milay be, ireo niangaran’ny vintana ireo.
Ny alarobia 31 desambra 2025 no nanatontosana izany teny amin’ny foiben-toeran’ny orinasa “MATEZA TOLES” sy “MATEZA FOAM”. Ireto orinasa ireto rahateo no angady nananana sy vy nahitana izao hetsika ara-tsosialy izao miaraka amin’ny asa sosialy efa fanaon’ny kaominina hatramin’izao. Hatramin’izay niorenan’ny orinasa teny an-toerana izay dia laharam-pahamehana ho azy ireo ny mitondra anjara biriky amin’ny kaominina. Tsy sambany araka izany ny fanoloran-tanana fa efa fanaon’ny orinasa mba hanampiana ny kaominina.
Niisa 360 ireo olona sahirana ara-pivelomana ireo izay notsongaina avy amin’ireo fokontany 13 ao anatin’ny kaominina Ampitatafika.Tanjona tamin’izao fanohanana izao ny mba hahafahan’ny rehetra niatrika ny fety. Manoloana izao fotoam-pahavaratra izao dia efa vonona ny kaominina Ampitatafika handray an-tanana ireo tranoina raha misy ny fiakaran’ny rano eny amin’ity kaominina ity, araka ny fanazavana voaray.
-

“ASSOCIATION MUSULMAN AHAMADIYYA” ENY TONGARIVO Nametra-panontaniana tamin’ny zava-nisy teny an-toerana
This post was originally published on this site.
“Iza no marina? Iza no mandainga? Ny taratasy nisy nametaka teo amin’ny tambohon’ny “Mosquée” dia lainga ary io taratasy io dia nisy nametaka teo amin’ny vavahadin’ny mpiara-monina ihany koa. Iza no nametaka io taratasy io tamin’ny andro alina?”. Niezaka ny “Association Musulman Ahamadiyya” niresaka tamin’ny tompon’andraiki-panjakana namantatra ny nanao io affiche” lainga io.” Ireo no fanontaniana napetraky ny “Association Musulman Ahamadiyya” eny amin’ny fokontany Tongarivo Tanjombato nanoloana ny tranga niseho teny an-toerana. Niezaka namaly ny fanasoketana azy ireo tamin’ny fanaparitahana vaovao diso ihany koa ny fikambanana. Vaovao diso izay nahatonga disadisa teo amin’ny fikambanana sy ny mponina eny amin’ity fokontany ity. Ny talata 30 desambra 2025 no nitondra ny fanazavana, teny amin’ny “Mosquée” Tongarivo Tanjombato, ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fikambanana. Nanambara araka izany ny fikambanana fa tsy avy amin’izy ireo ny fanasoketana fa izy ireo aza no iharan’ny antsonjay maro samihafa. Tsy manao herisetra amin’ny mponina eny amin’ny fokontany Tongarivo Tanjombato ihany ny fikambanana, araka ny fanazavana voaray.
