Auteur/autrice : Faniry

  • FIKAONAN-DOHAM-PIRENENA Nanotrona izany ny Pasitera Mailhol

    FIKAONAN-DOHAM-PIRENENA Nanotrona izany ny Pasitera Mailhol

    This post was originally published on this site.

    Tonga nifandinika satria nahazo fanasana niatrika ny Fikaonan-doham- pirenena, teny amin’ny CCI Ivato, ny Alarobia, 10 Desambra 2025, ny Pasteur MAILHOL Filohan’ny Fiangonana Apokalypsy Manerantany no sady Filohan’ny Antoko GFFM Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara. Fotoana nametrahana ny “charte de la transition”.

    Nambarany fa ny fikaonandoham-pirenena tahaka izao dia tokony hiarahan’ny rehetra midinika ho loabary andasy fa tsy hevitra vita mialoha no horaisina atao fehin-kevitra farany. Izany hoe mila velakevitra arahana adihevitra no atao. Tanjona ny handraisan’ny daholobe anjara manerana ny Nosy.

    Tsy hampilamina ny Firenena mantsy izany foto-kevitra apetraka mialoha izany.

    Ankoatra izay dia ny fifidianana filoham-pirenena no fifidianana tokony hofidiana mialoha fa tsy ny fifidianana hafa, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

  • FIATREHANA NY FOTOAM-PAHAVARATRA Efa mivonona amin’izany ny eny Bemasoandro

    FIATREHANA NY FOTOAM-PAHAVARATRA Efa mivonona amin’izany ny eny Bemasoandro

    This post was originally published on this site.

    Mba hiatrehan’ny kaominina Bemasoandro Itaosy ny fotoam-pahavaratra ankehitriny dia hividy kodiarana fiara efa niasa ny kaominina. Handray an-tanana ihany koa ireo avy any amin’ny malala-tanana. Tanjona ny hisorohana ny tondra-drano eny an-toerana. Iny kodiarana fiara efa niasa iny no hanamboarana tetezana mba hahafahan’ny mponina miampita amin’ny toerana iray. Ireo mponina isaky ny Fokontany no hanatanteraka ny asa. Hampihena ny isan’ireo traboina eny amin’ny kaominina Bemasoandro ity tetikasa ity raha toa ka vita soa aman-tsara ny fanatanterahana azy. Nahatratra 500 ny isan’ireo tokantrano traboina teny an-toerana ny volana janoary sy febroary 2024. Ankoatran’ity tetikasan’ny kaominina ity dia manokatra tsy mitsahatra ny tata-drano no sady manadio ny tanàna ihany koan y kaominina mba hanampiana tosika ireo tetezan-kazo fiampitan’ny mponina amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Ny kaominina izay efa mivonona hatrany amin’ny Tranompokonolona ho fandraisana an-tanana ireo traboina raha sanatria ka misy izany. Eo ihany koa ny tranolay avy amin’ny BNGRC. Fokontany miisa dimy no tena lasibatry ny tondrandrano eny amin’ny kaominina Bemasoandro. Anisan’izany ny eny Ambohikely, Ampasika avaratra, Ampasika afovoany sy Ambohidahy ary Ambodin’Amberivatry izay nampisaraka ny kaominina Bemasoandro sy ny kaominina Ambohidrapeto, araka ny fanazavan’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, Ranitratsilo Jimmy.

  • MPIKAMBANA AO AMIN’NY CENI Tafaverina indray Rakotonarivo Thierry

    MPIKAMBANA AO AMIN’NY CENI Tafaverina indray Rakotonarivo Thierry

    This post was originally published on this site.

    Tafaverina ho mpikambana indray ao amin’ny CENI, Rakotonarivo Thierry. Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny Fitsarana tampony teny Anosy, ny talata 2 desambra 2025, ny fihanihanan’ity mpikambana vaovao ity. Fihanihanana amin’ny maha filoha lefitra faharoa azy eo anivon’ny birao maharitra vaovao. Ny CENI izay tsy hiova aloha hatramin’izao raha tsy miova ny Lalampanorenana, araka ny fanazavana voaray avy amin’ity mpikambana vaovao ao amin’ny CENI ity.

  • SENDIKAN’NY MPIASAN’NY ORINASA “MADARAIL” Hanatanteraka fitokonana

    SENDIKAN’NY MPIASAN’NY ORINASA “MADARAIL” Hanatanteraka fitokonana

    This post was originally published on this site.

    Manomboka ny 4 desambra hatramin’ny 6 desambra 2025 dia hanatanteraka fitokonana ihany koa ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa “Madarail”. Nametraka ny 72 ora izay fanajana ny lalàna momba izany fitokonana izany ny sendika. Anton’izao fitokonana izao ny fahatsapan’ireo mpiasa fa tsy mangarahara ny fitantanana ao amin’ity orinasa ity hatramin’ny nanaovana ny orinasa ho “mise en concession”.

    Ankoatra ny fitokonana dia mitaky ny hialan’ ny mpandraharaha vahiny ao amin’ny orinasa ny sendikan’ny mpiasan’ny “MADARAIL”. Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanana ny orinasa. Mangataka ny hamerenana ny fitantanana ny orinasa “MADARAIL” amin’ny Fitondram-panjakana ihany koa ireto mpiasa mivondrona anaty sendika ireto. Ny fitantanana ny orinasa “MADARAIL” izay nitontongana hatrany nanomboka ny taona 2009 ka hatramin’izao fotoana izao. Tsy mihodina araka ny tokony ny orinasa na nambara aza fa nahazo famatsiam-bola hampihodinana izany, araka ny fanazavana voaray.

  • DR TSIALEFISON BERTIN Kandida any amin’ny faritra Fitovinany

    DR TSIALEFISON BERTIN Kandida any amin’ny faritra Fitovinany

    This post was originally published on this site.

    Anisan’ireo kandida nirotsaka ho fidiana ho Governoran’ny Faritra Fitovinany ny Dr Tsialefison Bertin. Izy izay nahafeno fepetra ka nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana, ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Minisiteran’ny Atitany eny Anosy. Vonona ny hitondra anjara biriky any amin’ny faritra nihaviany araka izany ny Dr Tsialefison Bertin.

    Anton’izao mahakandida ho lehiben’ny faritra azy izao. Ity kandida ity sy ny mpiara-miasa aminy izay efa ela no niomana ho amin’izay drafitra famolavolana ny fampandrosoana any amin’ny faritra Fitovinany izay. Paikady maro araka izany no entiny hananganana ny fomba fijery vaovao ho an’ny faritra Vitovinany. Ny faritra nihaviany izay misedra olana tanteraka hatramin’izay ka hatramin’izao noho ny tsy fisian’ny fitantanana mato-paika.

    Faritra anisany tena mamokatra anefa ny any Fitovinany. Ity zanaky ny faritra Fitovinany ity izay hikatsaka ny mangarahara amin’ny alalan’ny fitantanana madio. Laharam-pahamehana ho an’ny Dr Tsialefison Bertin araka izany ny fijerena ny fanamboarana ireo lalana ratsy izay mampitohy ireo kaominîna maro samihafa mandrafitra ny distrika sy ny faritra. Eo ihany koa ny fiompanana amin’ny jiro izay entina hanazava ny tanàna. Ny fametrahana ho voalohan-daharana ny rano fisotro madio. Tsy latsa-danja amin’ireo ny hijerena ny asa mahavelona eo amin’ireo tanora. Ny mba hampahomby ny fambolena sy ny fiompiana. Ny fanavaozana ny jono an-dranomamy sy an-dranomasina izay hanangana ny “chambre frigorifique”.

    Izao fotoana izao no fanavaozana ka tokony hijoroana. Hanolo-tena aho fa fadiranovana loatra ny Faritra nihaviako, araka ny fanazavan’ny kandida ho Governora any amin’ny faritra Fitovinany, ny Dr Tsialefison Bertin. Ny zoma lasa teo, teny amin’ny Minisiteran’ny Atitany Anosy; no nifaranan’ny fametrahana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho Lehiben’ny Faritra, araka ny fanazavana voaray.

  • MBA HO FANKALAZANA NY FETIN’NY KRISMASY SY NY FARANY TAONA Vokatra vaovao miisa telo no natolotry ny STAR

    MBA HO FANKALAZANA NY FETIN’NY KRISMASY SY NY FARANY TAONA Vokatra vaovao miisa telo no natolotry ny STAR

    This post was originally published on this site.

    Amin’ny alalan’ny fanoloran’ny orinasa STAR ireo vokatra vaovaony no hanakaikezany hatrany ireo mpanjifany. Fanolorana vokatra vaovao izay sady tsara kalitao no amin’ny vidiny mirary. Amin’izao vanim-potoana hanamarihana ny fetin’ny krismasy sy ny fetin’ny farany taona izao, ny orinasa STAR dia manasa ny mpanjifa hiara-hankalaza izany ao anatin’ny hamamiana. Vokatra vaovao atolotry ny orinasa ny mpanjifa araka izany ny “VALMONT” sy ny “CAPRICE NOËL” ary ny “THB NOËL”.

    Ny “VALMONT” dia divay avy any any Espagne izay mifandanja tsara ny kalitao sy ny vidiny. Divay mena, misy alikaola 11,5 %, arotsaka anaty tavoahangy ao amin’ny ozinina STAR Ambatolampy amin’ny abehany 50 cl. Nanomboka ny volana oktobra lasa teo dia hita eny amin’ireo toeram-pietsenana lehibe sy toeram-pisakafoana eto Antananarivo ity vokatra ity, mialoha ny niparitahan’izany tany amin’ny faritra hafa. Azo jifaina amin’ny vidiny mirary Ar 9.000 ny “VALMONT”.

    Ny “CAPRICE NOËL” dia manome hamamiana ny fety. Vokatra reharehan’ny Malagasy ny “CAPRICE”. Amin’izao fety izao dia horavahan’ny lokon’ny fetin’ny krismasy izy. Ireo endrika “CAPRICE” rehetra dia ahitantsika tavoahangy misy Dadabe Noely miakanjo maitso avokoa. Loko izay nahafantarana azy tany am-piandohana. Ny loko maitso ihany koa dia loko hita amin’ny sainam-pirenena malagasy izay mampiseho fa vokatra vita malagasy 100% ny “CAPRICE”. Ity vokatra mandalo “CAPRICE NOËL” ity dia azo jifaina manerana an’i Madagasikara nanomboka ny tapaky ny volana novambra lasa teo. Ny vidiny tsy miova fa mitovy amin’ny “CAPRICE” mahazatra ihany. Ny “THB NOËL” indray dia hahafahana manatanteraka ny “fety ny fiarahantsika”.

    Novokarina manokana mba hankalazana ny krismasy araka izany ny “THB NOEL”. Manatevin-daharana ny marika “THB” ny vokatra “THB NOËL” izay mandalo ihany. Hita manerana ny nosy nanomboka ny tapaky ny volana novambra lasa teo ity labiera vaovao manana tsiro miavaka ity. 6,5% ny tahan’ny alikaola ao aminy, amin’ny tavoahangy 33cl. Azo jifaina amin’ny vidiny Ar 2 500 toy ny THB mahazatra. Tsy manolo fa manampy ny THB mahazatra araka izany ny “THB NOËL”. Vokatra vaovao tsara kalitao sy amin’ny vidiny mirary mba ho eo anilan’ny Malagasy hanala hetaheta sy hizara fotoana tsy manam-paharoa araka izany no tanjon’ny orinasa STAR, araka ny fanazavana voaray.

  • SEHATRY NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA : Maro ireo tanora malagasy no liana

    SEHATRY NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA : Maro ireo tanora malagasy no liana

    This post was originally published on this site.

    Ny voka-pikarohan’ny “Office National de l’Emploi et de la Formation” na ny ONEF izay manana ny foiben-toerany eny Ampefiloha no nahafantarana fa ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana no tena mahasarika ny tanora ankehitriny. Manaporofo izany ny fanadihadiana notontosain’ity Sampandraharaha ity tamin’ireo Faritra miisa 3 eto Madagasikara. Ireo tanora eto Analamanga sy Atsinanana ary Vakinankaratra teo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 35 taona nanaovana fanadihadiana araka izany dia samy liana amin’ireo sehatrasa fihariana roa ireo avokoa. Misy amin’ireo tanora malagasy hafa ihany anefa no te hanangana orinasa manokana ho an’ny tenany saingy ny noho ny tsy fisian’ny hoenti-manana sy ny fitaovana dia tsy afa-manoatra izy ireo. Naharitra iray volana no nanangonan’ny ONEF ny vaovao mahakasika ity sehatrasa ity. Nandritry ny volana maro no nanatontosan’izy ireo ny fanadihadiana, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny ONEF, Rasolonjanahary Oelasolofo Ando Ny Aina.