Auteur/autrice : Faniry
-

DINIKA AN-DATABATRA BORIBORY ARA-TOEKARENA ANDIANY FAHAVALO Tsy tokony hatao fakana hetra fotsiny ihany ny sehatra tsy miankina
This post was originally published on this site.
Ny andiany fahavalo tamin’ny dinika an-databatra boribory ara-toekarena teo amin’ny fitondram-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-tekinika ary ireo mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina no hetsika notontosaina, teny Ambodivona, ny talata 11 novambra 2025. Nasongadin’ireo mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina ireo tamin’io fotoana io ny fitarainan’izy ireo fa atao fakana hetra fotsiny ireo mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina ireo. Antony mahapotika ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara.
Manoloana izany olana ara-drafitry ny sehatry ny fandraharahana eto amintsika izany dia fotoana izao hanarenana ny lesoka eto amin’ny firenena mba hitondrana fanatsarana eo amin’ny fiharian-karena sy ny fandraharahana sady fanovana rahateo no filamatra apetraka ankehitriny, araka ny fanazavana voaray. Ny sehatra tsy miankina rahateo no andry iankinan’ny fampandrosoana ara-toekarena ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Tsy tokony hijanona ho dinika an-databatra boribory ihany koa ny fifanakalozan-kevitra ara-toekarena tahaka izao fa tokony hisy vokatra azo tsapain-tanana mba hitondra soa ho an’ny rehetra.
Na efa nisy aza izany vokatra azo tsapain-tanana izany tamin’ireo dinika an-databatra boribory ara-toekarena fito teo aloha dia tokony ho hita taratra hatrany izany ankehitriny. Anisan’izany ny fihatsaran’ny kalitaon’ny fifanakalozana sy ny fihenan’ny fotoanan’ny famoahana entana ao amin’ny Seranantsambon’i Toamasina. Izy io izay naharitra tapa-bolana teo aloha kanefa dia lasa ho roa andro fotsiny ankehitriny. Eo ihany koa ny fisian’ny fifanakalozana mikasika ny lalànan’ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny fametrahana ny rafitra famatsiam-bola Eoropeanina ary ny maro samihafa.
Ny Vondrona Eoropeanina rahateo no niara-nisalahy tamin’ny fitondram-panjakana malagasy tamin’ny fikarakarana ity dinika an-databatra boribory ara-toekarena andiany fahavalo ity. Tanjona ny hanatsarana hatrany ny tontolon’ny fandraharahan’ny sehatra tsy miankina eto amintsika. Raha sahirana ny fandraharahan’ny sehatra tsy miankina dia reraka ho azy ny rafitra ara-toekarena eto Madagasikara. Antony tokony henoina ny feon’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatra tsy miankina. Tokony hametraka paikady entina hampandrosoana ny mpandraharahan’ny sehatra tsy miankina ihany koa ny fitondram-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka. Anisan’izany ny famatsiam-bola mba hamahana ny olan’ny hetra, herinatra, rano sy ny lalana ary ireo maro samihafa. Amin’izao fotoanan’ny fanovana eto amintsika izao araka izany dia tokony tsy hisy intsony ny fanaovana ampihimamba sy ny fanaovana tantely afa-drakotra eto amin’ny firenena, araka ny fanazavana voaray hatrany.
-

OLANA EO ANIVON’NY ORINASA JIRAMA Tsy voatery ny tale jeneraly no sakana fa mety ho ny mpiasa ihany koa
This post was originally published on this site.
Nitondra fanazavana mahakasika ny olana ao amin’ny orinasa JIRAMA, ny Solombavam-bahoakan’ny Distrikan’Ikalamavony, Rakotoniaina Pety. Nambarany fa tsy voatery ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA izay karamaina volabe ihany no sakana amin’izao olana eo anivon’ny orinasa JIRAMA izao fa mety ho avy amin’ireo mpiasa ihany koa. Misy amin’ireo mpiasan’ny orinasa JIRAMA sy ireo mpitondra fanjakana ihany koa no nangalatra. Antony mahatonga ny orinasa JIRAMA tsy ho tafarina mihitsy amin’izao fotoana izao. Amin’izao fitondram-panjakana izay mikatsaka fanovana izao dia tokony holazaina ny mangarahara entina hanarenana ny orinasa JIRAMA. Hahalalana ihany koa izay lesoka teo aloha. Teo amin’ny fitantanana ve sa inona marina no mahatonga ny orinasa ho potika ? Tanjona ny hisitrahan’ny mponina fahazoana jiro sy rano. Io tsy fisitrahan’ny rehetra jiro sy rano io no antony nahatonga ny hetsi-bahoaka farany teo, araka ny fanazavan’ny Solombavabam-bahoakan’ny Disitrikan’Ikalamavony, Rakotoniaina Pety.