Auteur/autrice : La rédaction

  • HAIFY & SAKAFO KOREANINA Nisokatra ny “Kim’s Restaurant” etsy Mahazo

    HAIFY & SAKAFO KOREANINA Nisokatra ny “Kim’s Restaurant” etsy Mahazo

    This post was originally published on this site.

    Ny taona 2018 no efa nanome fahafaham-po ireo Mpanjifa mankafy manokana ny fomba fahandro Koreanina (Aziatika) teny Ivandry ny “Kim’s restaurant”. Ankehitriny efa nisokatra ihany koa ny “Kim’s Restaurant” etsy Mahazo Ankadindramamy ambony. Nomarihan’ny Ramatoa Nivo, tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ireo sakafo ao amin’ny”Kim’s Restaurant” Mahazo Ankadindramamy ambony ity fa tsy misy fiovany ny tsiron’ireo sakafo hatolotr’izy ireo ny Mpanjifa. Voatazona hatrany, hoy izy nanamafy ilay tsiro tsy manam-paharoa mampiavaka ny “Kim’s restaurant” eto Madagasikara.

    Raha tsiahivina, ny fampiarahana ny tsiro masiaka sy ny mamy no raikipohy fototra entina mikarakara ireo sakafo ao amin’ny “Kims restaurant” rehetra eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra. Ankoatry ny fanolorana ireo karazan-tsakafo masaka dia mivarotra ireo Akora fototra avy any Korea ilaina amin’ny fikarakarana ny sakafo ihany koa ny “Kim’s Restaurant” etsy Ankadindramamy ambony. Tsongaina amin’izany ny paty, ranomboankazo sy zavapisotro isan-karazany, saosy sy fanomezan-tsiro marobe, sns. Vokatra biolojika sy vaovao hatrany no ampiasaina toy ny anana, navet, voankazo vokatra eto Madagasikara, hoy, hatrany Ramatoa Nivo.

    Nomarihany fa misy karazan-tsakafo ampiasana ny Vary, kisoa, omby ao amin’ny “Kims restaurant” Mahazo Ankadindramamy ambony. Ampahany amin’ireo sakafo ankafizin’ny maro ao amin’ny “Kim’s restaurant” Mahazo Ankadindramamy ambony ny sakafo ampiasana ny paty avy any Korea izay manana endrika sy tsiro samy manana ny maha izy azy avokoa. Marihana fa haingana ny fikarakarana ireo sakafo nofinidin’ireo Mpanjifa ary misy ny tolotra fanokafam-bavony ho azy ireo eo ampiandrasana ny sakafo. Maimaim-poana ihany koa ny tsindri-tsakafo “Désert” ao amin’ny”Kim’s restaurant” Ankadindramamy ambony.

    Anisan’ireo be Mpanjifa ao amin’ny “Kim’s Restaurant” ny “ramen” sy ny sakafo ampiasana ny akoho. Misy ny sakafo tsy mandalo afo toy ny fampiasana ny petsay “Kimchi” ao amin’ity toeram-pisakafoana miavaka ity. Marihana fa misokatra anatin’ny fito andro ny “Kim’s restaurant” etsy Mahazo Ankadindramamy ambony ary afaka manome fahafaham po ireo Mpanjifa tsy afaka manantona azy ireo ihany koa amin’ny alalan’ny fanaterana ireo sakafo any an-tranon’ireo Mpanjifa ny “Kims restaurant”. Milamina sy malalaka ny toeram-piantsonana ho an’ireo mitondra fiarakodia etsy Mahazo Ankadindramamy ambony toerana misy ny “Kim’s restaurant”.

    Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

  • Avis de décès

    Avis de décès

    This post was originally published on this site.

    C’est avec une immense tristesse que ses confrères et consoeurs de l’Agence Malagasy de Presse (AMP) annoncent le décès de notre cher Harifidy Ramanamahefa survenu le Jeudi 02 Octobre 2025, des suites d’une maladie.

    Passionné par son métier, Harifidy a consacré sa vie à capturer l’instant, à témoigner des grands événements à travers son regard de photographe. Son talent et son sens du reportage ont marqué le photojournalisme à Madagascar.

    Ses obsèques seront célébrées le lundi 06 Octobre 2025 au Temple Fjkm Ambohitantely, suivies de l’inhumation à Antsahamaina Alarobia Ambatomanga.

    Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

  • COLLECTIF TANY Manameloka ny herisetra ary miantso fanovana ho amin’ny rariny sy ny fiainana mendrika ho an’ny rehetra

    COLLECTIF TANY Manameloka ny herisetra ary miantso fanovana ho amin’ny rariny sy ny fiainana mendrika ho an’ny rehetra

    This post was originally published on this site.

    Nanomboka ny 25 septambra 2025, nidina an-dalambe isan’andro ireo olom-pirenena an’arivony, indrindra fa ny tanora, mitaky ny fiafaran’ny fahatapahan-jiro sy rano ary manameloka ny rafitra voazaran’ny kolikoly sy ny tsimatimanota. Manoloana ny famoretana, mankasitraka ny herim-pon’izy ireo ny Collectif TANY, manameloka ny herisetra ary miantso fanovana ho amin’ny rariny sy ny fiainana mendrika ho an’ny rehetra.

    PDF Loading…

    Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

  • La jeunesse malgache en première ligne face à l’injustice

    La jeunesse malgache en première ligne face à l’injustice

    This post was originally published on this site.

    Depuis le 25 septembre 2025, des milliers de citoyens, majoritairement jeunes, descendent dans les rues pour réclamer la fin des coupures d’eau et d’électricité et dénoncer un système gangrené par la corruption et l’impunité. Face à la répression, le Collectif TANY salue leur courage, condamne les violences et appelle à un véritable changement en faveur de la justice sociale et d’une vie digne pour tous.

    PDF Loading…

    Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

  • KAOMININA TANA III Mamadika ny tolom-bahoaka

    KAOMININA TANA III Mamadika ny tolom-bahoaka

    This post was originally published on this site.

    Raha tokony hamonjy ny tolom-bahoaka en Ambohijatovo ny mponin’Antananarivo, mba ahazahoana ny rariny mikasika ny jiro sy ny rano, dia notaritin’ny Fokontany hanadio ny tatatra tsentsina.

    Omena vola mantsy io fanadiovana io dia nirona tamin’izany ireo sasany izay mbola tsy tonga saina ihany amin’izay tokony hatao amin’ity raharam-pirenena tsy mety intsony ity. Ekena fa ilaina ny vola mba misy arapaka anio, fa maninona ny andro nosafidin’ny Kaominina dia andro itolomana eny Ambohijatovo ?

    Fanodikodinana saim-bahoaka io mba tsy handraisan’ireo mponina mahantra ireo ny tolona izay tokony ho tanterahiny. Tsy ny Kaominina akory ny hanala ny olana amin’ny jiro sy ny rano ary ny fahantrana mianjady amin’ny vahoaka.

    Noterena fotsiny ireo mponina ireo hanadio ny tanàna nefa ny kaominina tsy hanome rano n’a jiro azy ireo. Tsy mety izany tetika izany fa manandevo ny vahoaka. Homena vola kely ve dia avela ny fitakiana ny zon’olombelona ? Aza avadika ny tolona ry tompon’andraikitra ao amin’ny Fokontany an. Ianareo ireo angaha mahazo rano sy jiro ?

    Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

  • TSY FAHAIZANA MITONDRA Tairo ny hetsika !

    TSY FAHAIZANA MITONDRA Tairo ny hetsika !

    This post was originally published on this site.

    Tsy manaiky intsony ny vahoaka mandady harona fa tsy maintsy manaitra ny mpitondra amin’izao tsy fahaiza-mitondra izao. Ny olana goavana moa dia ny tsy fisian’ny jiro sy rano, sy ny fahantrana ankapobeny ary ny fahasarotana eo amin’ny fiainam-bahoaka.

    Leo ny vahoaka ka hampiseho ny fahatezerany amin’ny Alakamisy izao eny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo.

    Ny raharaha niseho tetsy Anosikely manoloana ny Antenimiran-doholona izay nitondran’ny Mpnolotsainan’ny Kaominina telo daba-mavo sy labozia no nampisaina ny vahoaka fa tsy maintsy mihetsika izy.

    Ny Fanjakana moa dia efa miomana handrara izany hetsika izany koa hita eo ny tohiny.

    Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

  • NOSY SAKATIA Kiaka sy Ahiahy !

    NOSY SAKATIA Kiaka sy Ahiahy !

    This post was originally published on this site.

    Manoloana ny tetika ratsy hialan’ny mponina ao amin’ny Nosy Sakatia, izay trandrahan’ny orin’asa Green Mada Land sy ireo mpiara-dia aminy ao amin’ny Fitondrana, dia nanao fihoanana tamin’ny mpanao gazety ireo solontenan’ny mponina, hotronin’ny OSC, mpiombon’antoka amin’ny Fiaraha-monina ny alatsinainy teo, tetsy Ambatonakanga.

    Mazava ny lalàna nivoaka tamin’ny 2019, fa foana ny fanomezan-dàlana an’ny Green Mada Land hanorina hotely lehibe ao Sakatia. Tsy manaiky anefa izy ireo fa mitady làlana hatrany hanohy ny heviny ary tohanan’ny fitondrana ankehitriny, indrindra moa fa ny Ben’ny tanàna ao Nosy Be. Manao ny antsonjay hialàn’ny mponina rỳ zareo ahazoana manorina ny asany hanao tranobe handraisam-bahiny raitra dia raitra.

    Tsy manaiky anefa, etsy an-kilany ny mponina Sakatia, tompon’ny tany hatry ny ela, efa ho roanjato taona izao. Ao ny mponina no mamboly sy miary, mianatra sy mivelona, ary afaka mandray vahiné ihany koa.

    Tsy mazava ny tetika hataon’ny Green Mada Land hoy ireto mponina ka miantso an’ireo mpiombon’antoka amin’ny fiara-monina izy ireo handamina sy hijery akaiky ny toe-draharaha. “Efa tsy rariny intsony” hoy ny kiaka avy amin’ny mponina.

    Inona no hiafaran’ity raharaha ity? Ny Green Mada Land tohanan’ny mpitondra, ny mponina tsy hiàla amin’ny tanindrazany. Aiza ny rariny sy ny hitsiny ?

    Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

  • PRIMATOLOGIE Un congrès international sur les lémuriens organisé par Jonah Ratsimbazafy

    PRIMATOLOGIE Un congrès international sur les lémuriens organisé par Jonah Ratsimbazafy

    This post was originally published on this site.

    Cet événement a contribué à catalyser les initiatives de conservation et à propulser Madagascar sur la scène scientifique internationale.

    Le primatologue malgache Jonah Ratsimbazafy, président de la Société internationale de primatologie (2020) et membre de la TWAS depuis 2021, est un ardent défenseur de la protection et de la conservation des lémuriens. Ses efforts ont contribué à accroître le rôle de Madagascar dans la primatologie mondiale.

    En organisant le 30e Congrès de la Société internationale de primatologie (IPSC) du 20 au 25 juillet, il a contribué à catalyser les initiatives de conservation et à propulser Madagascar sur la scène scientifique internationale.

    « Les lémuriens sont plus que de magnifiques animaux. Ils sont essentiels aux forêts de Madagascar. Ils dispersent les graines et maintiennent l’équilibre d’écosystèmes entiers. Si les lémuriens disparaissent, les forêts déclineront, la biodiversité s’effondrera et même les communautés humaines en souffriront », a déclaré Ratsimbazafy.

    Parmi les participants, 759 délégués se sont présentés en personne, tandis que 133 se sont joints virtuellement. Il convient de noter que 32 % d’entre eux venaient d’Afrique, 18 % d’Asie et 9 % d’Amérique centrale et du Sud, ce qui témoigne de l’esprit d’inclusion mondiale de l’initiative.

    En reconnaissance de sa contribution exceptionnelle à la conservation des lémuriens, il a reçu, lors du congrès, le prix de la Fondation Margot Marsh pour la biodiversité et une distinction spéciale du ministère malgache de l’Environnement pour ses services rendus à la nation.

    Ratsimbazafy a obtenu son doctorat en 2002 à l’Université d’État de New York, aux États-Unis, et son habilitation à diriger des recherches (2011) à l’Université d’Antananarivo. Il est aujourd’hui maître de conférences à l’Université d’Antananarivo.

    Il est également co-vice-président de la section malgache du groupe de spécialistes des primates de la Commission de la survie des espèces de l’Union internationale pour la conservation de la nature et directeur du zoo de Houston. Au cours de sa carrière, il a reçu de nombreuses distinctions, dont la bourse de la Fondation Rockefeller (1998), le prix Galante (2002) de la Société internationale de primatologie et le Disney’s Hero Conservation Award (2015). En 2019, il a été nommé membre honoraire à vie par le Conseil de l’Association pour la biologie tropicale et la conservation. En 2023, il a reçu le prix Seacology, un prix environnemental international, pour ses plus de trois décennies de dévouement à la conservation des lémuriens et de leur habitat à Madagascar.

    « Madagascar était le cadre idéal pour accueillir la 30e IPSC, car elle abrite 112 espèces de lémuriens, soit 20 % des primates non humains de la planète. Toutes sont endémiques à la quatrième plus grande île du monde, ce qui en fait un environnement unique qui mérite d’être valorisé et protégé. Et pour le protéger, nous devons faire connaître son existence », a ajouté Ratsimbazafy. « Sauver les lémuriens, c’est sauver le cœur de Madagascar. »

    Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

  • BASE TOLIARA Tsy azo ekena ny fanaovana hazalambo sy famonoana ireo olona miaro ny tanindrazany sy ny zony eo anatrehan’ny tetikasa

    BASE TOLIARA Tsy azo ekena ny fanaovana hazalambo sy famonoana ireo olona miaro ny tanindrazany sy ny zony eo anatrehan’ny tetikasa

    This post was originally published on this site.

    Izahay izay manao sonia eto ambany dia manameloka ary mitaky ny fampitsaharana avy hatrany ny hazalambo ireo mpanohitra ny tetikasa Base Toliara izay ataon’ireo milisy ao amin’ny Voromahery miaraka amin’ny zandary sy miaramila hatramin’ny volana jolay 2025, ka izao niafara amin’ny famonoana ankitsirano ny raim-pianakaviana iray izao.

    Ireo vavolombelona dia nanambara fa tamin’ny faha-13 Septambra 2025, dia maty voatifitry ny miaramila sy zandary tamin’ny lohany Itompokolahy Bénéfice, izay mpikambana MAZOTO ao Ampasimagniliky, kaomin’Ankilimalinike. Izany fitifirana izany dia vokatry ny fitarihan’ireo mpikambana Voromahery ao Benetse ireo miaramila sy zandary ireo hanenjika ny mpikambana MAZOTO izay miafina any anaty ala hatramin’ny volana Jolay. Ny anton’ny famonoana an’Itompokolahy Bénéfice dia mazava fa noho izy tafiditra ao anatin’ny lisitra misy ireo mpanohitra ny tetikasa Base Toliara.

    Ambonin’izany, dia manahiran-tsaina tokoa ny fananganana ny Voromahery, izay vokatry ny firaisana tsikombakomban’ny mpitondra Malagasy isan’ambaratongany ary ny miaramila sy zandary amin’ny orinasa Base Toliara mba handaminana ny toerana hotrandrahiny. Ity firaisana tsikombakomba ity dia tena manafintohina tokoa satria sady mampiady anatiny ireo fokonolona voakasika, no manitsakitsaka ny zon’ny mponina amin’ny fandavana na fanekena malalaka ny tetikasa toy itony, ary manao tery vay manta azy ireo hanaiky ity tetikasa fitrandrahana mampidi-doza ity.

    Izahay izay manao sonia eto ambany dia tsy manaiky ny famonoana ho faty ny mpanohitra ny tetikasa Base Toliara, ary ny fanaovana ho sorona ireo toerana fitrandrahana sy ireo mponina voakasika, mba hanamafisana ny famatsiana angovo sy mineraly sokajiana ho “critiques” an’ny fanjakana amerikana, izay nanapa-kevitra fa hiaro ny mponina sy ny tontolo iainana ao aminy mba tsy ho tratry ny vokadratsin’ny famokarana terres rares, ka hanondrana izany loza manambana rehetra izany any amin’ny fokonolona sy ny rohivoahary ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II.

    Amin’ny alalan’ity fanambarana ity, dia mampahatsiahy ireo mpitandro ny filaminanana sy ny manam-pahefana mahefa rehetra izahay fa amin’ny olom-pirenena izay nifidy azy no ananany tamberin’andraikitra voalohany indrindra, sady izy ireo ihany koa no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanajana sy fiarovana ary fanatanterahana ny zon’ireo olom-pirenena ireo hisafidy ankalalahana tanteraka izay tetikasa fampandrosoana sahaza azy.

    Manao antso avo amin’ny manam-pahefana mahefa ihany koa izahay etoana :

    • mba hampitsahatra ny fampiasana herisetra sy herim-pamoretana mahafaty ho fiarovana ny tetikasa Base Toliara.
    • mba hampanao fanadihadiana maika, lalina ary tsy mitanila amin’izao fanenjehana sy famonoana olona tao Ampasimagniliky izao ;
    • mba hiantoka ny fahafahana sy ny zon’ireo fianakavian’ny maty sy ny mpiara-dia aminy hiaina am-pahamendrehana ao anaty fahalemana amin’ny lafiny rehetra.

     

    Antananarivo faha 15 Septambra 2025

    • Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI),
    • Femmes en Action Rurale de Madagascar (F.A.R.M),
    • Réseau des Jeunes pour le Développement Durable (R.J.D.D.),
    • Fikambanan’ny Masikoro Arivolahy Antananarivo (FI.MA.)
    • Fikambanan’ny Fiherena Manombo Mangoky (FI.FI.MA.MA.).

    Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.