This post was originally published on this site.
Ny taona 2018 no efa nanome fahafaham-po ireo Mpanjifa mankafy manokana ny fomba fahandro Koreanina (Aziatika) teny Ivandry ny “Kim’s restaurant”. Ankehitriny efa nisokatra ihany koa ny “Kim’s Restaurant” etsy Mahazo Ankadindramamy ambony. Nomarihan’ny Ramatoa Nivo, tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ireo sakafo ao amin’ny”Kim’s Restaurant” Mahazo Ankadindramamy ambony ity fa tsy misy fiovany ny tsiron’ireo sakafo hatolotr’izy ireo ny Mpanjifa. Voatazona hatrany, hoy izy nanamafy ilay tsiro tsy manam-paharoa mampiavaka ny “Kim’s restaurant” eto Madagasikara.
Raha tsiahivina, ny fampiarahana ny tsiro masiaka sy ny mamy no raikipohy fototra entina mikarakara ireo sakafo ao amin’ny “Kims restaurant” rehetra eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra. Ankoatry ny fanolorana ireo karazan-tsakafo masaka dia mivarotra ireo Akora fototra avy any Korea ilaina amin’ny fikarakarana ny sakafo ihany koa ny “Kim’s Restaurant” etsy Ankadindramamy ambony. Tsongaina amin’izany ny paty, ranomboankazo sy zavapisotro isan-karazany, saosy sy fanomezan-tsiro marobe, sns. Vokatra biolojika sy vaovao hatrany no ampiasaina toy ny anana, navet, voankazo vokatra eto Madagasikara, hoy, hatrany Ramatoa Nivo.
Nomarihany fa misy karazan-tsakafo ampiasana ny Vary, kisoa, omby ao amin’ny “Kims restaurant” Mahazo Ankadindramamy ambony. Ampahany amin’ireo sakafo ankafizin’ny maro ao amin’ny “Kim’s restaurant” Mahazo Ankadindramamy ambony ny sakafo ampiasana ny paty avy any Korea izay manana endrika sy tsiro samy manana ny maha izy azy avokoa. Marihana fa haingana ny fikarakarana ireo sakafo nofinidin’ireo Mpanjifa ary misy ny tolotra fanokafam-bavony ho azy ireo eo ampiandrasana ny sakafo. Maimaim-poana ihany koa ny tsindri-tsakafo “Désert” ao amin’ny”Kim’s restaurant” Ankadindramamy ambony.
Anisan’ireo be Mpanjifa ao amin’ny “Kim’s Restaurant” ny “ramen” sy ny sakafo ampiasana ny akoho. Misy ny sakafo tsy mandalo afo toy ny fampiasana ny petsay “Kimchi” ao amin’ity toeram-pisakafoana miavaka ity. Marihana fa misokatra anatin’ny fito andro ny “Kim’s restaurant” etsy Mahazo Ankadindramamy ambony ary afaka manome fahafaham po ireo Mpanjifa tsy afaka manantona azy ireo ihany koa amin’ny alalan’ny fanaterana ireo sakafo any an-tranon’ireo Mpanjifa ny “Kims restaurant”. Milamina sy malalaka ny toeram-piantsonana ho an’ireo mitondra fiarakodia etsy Mahazo Ankadindramamy ambony toerana misy ny “Kim’s restaurant”.
Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.




