Auteur/autrice : Lalasoa R.
-

CABINET MÉDICAL MILLEFOLIUM AINASOA : Mitsabo amin’ny tsindrona volamena sy zavamaniry…
This post was originally published on this site.
Ny fampiasana ny fanjaitra manify dia manify vita amin’ny volamena atsindrona amin’ny faritry ny vatana sy ireo karazan-javamaniry sy voankazo ary Ireo akora voajanahary toy Ireo karzam-bato. Ireo no fototry ny fitsaboana ireo karazan’aretina marolafy toy ny sohika “Asthme”, malia ra “spasmophiles”, sns eo anivon’ny toera-pitsaboana Cabinet médical millefolium Ainasoa, etsy Ampasampito, ambanin’ny Lycée Nanisana.
Nomarihan’i Dinasoa Hanitriniaina tomponandraikitra voalohany eo anivon’ity toera-pitsaboana ity fa fomba fitsaboana Japoney ny fampiasana ny tsindrona volamena. Tsy mahatsapa fanaintainana ireo marary eo ampanindronana azy ireo amin’ny fanjaitra. Ny taona Fito sy roarivo no efa nisehatra teo amin’ny lafiny fitsaboana i Dinasoa Hanitriniaina. Anisan’ny mahomby amin’ny fitsaboana ny “prostate ‘” mpahazo ny lehilahy ny fampiasana ny tsindrona volamena. Tsy voatery ho didiana intsony ny “prostate” araka izany. Ankoatry ny fampiasana ny fanjaitra volamena ho fitsaboana dia mampiasa ireo zavamaniry, voankazo isan-karazany ho entina mitsabo ihany koa ny Cabinet millefolium Ainasoa etsy Ampasampito. Tombony ho amin’ny fampiasana azy ity, hoy, hatrany i Dinasoa Hanitriniaina ny tsy fisian’ny “effet secondaire” noho izy ireo voajanahary “Bio”.
Manodidina ny telovolana eo ho eo ny faharetan’ny fitsaboana. Telo andro misesy hanarahan’ireo marary ny fitsaboana dia efa mahatsapa fiovana tsara amin’ny toe-pahasalamany ireo marisarisa ara-pahasalamana. Marihana fa mampiasa ireo karazana tanimanga efa nandalo fitsirihana teny anivon’ny “laboratoire”ho enti-mitsabo ihany koa ny Cabinet millefolium Ainasoa Ampasampito. Tsy mampiasa ireo fanafody misy akora simika izy ireo. Anisan’ny zava-baovao eo anivon’ity toera-pitsaboana ity ny fanindronana ny faritry ny sofina ho entina mitsabo ny faritra hafa amin’ny vatana toy ny lamosina. Misehatra amin’ny fitsaboana ny aretin’ny saina koa i Dinasoa Hanitriniaina. Ny laharana 034 31 663 34 sy ny 032 86 55511 no fifandraisana mivantana amin’ny Cabinet médical millefolium Ainasoa etsy Ampasampito.
-

ORIASA MALAGASY “PETROFLAMME MADAGASIKARA” : Mamokatra fatana mandeha amin’ny solitany
This post was originally published on this site.
“Petroflamme Madagasikara”. Io no anarana nasalotr’i Nirina ny orinasany. Ity farany izay misehatra amin’ny fanamboarana fatana mandeha amin’ny solitany”Pétrole” Nandritra ny fotoana nidiran’ny valan’aretina Covid 19 teto Madagasikara no nitsiry ny hevitra ho amin’ny famokarana ny fatana mandeha amin’ny solitany.
Tsotra, mora ampiasaina, mitsinjo ny tontolo iainana ary mampihena ny drala mivoaka eo amin’ny tontolon’ny fahandroan-tsakafo ny fampiasana ny fatana vokarin’ny “Petroflamme Madagasikara” Ny ankamaroan’ireo akora fototra ilaina amin’ny fanamboarana ny fatana dia ireo kojakoja sy fitaovana efa tsy ampiasain’ny isan-tokantrano intsony no nangonina…
Ankehitriny ho fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra dia ny folo isan-jaton’ireo akora ampiasaina no hafarana avy any Alemaina. Ny solitany araraka ao anatin’ilay fitahirizana hita eo ambanin’ny fatana no avadika hanjary entona “Gaz”, hoy, i Nirina. Vokany tsy misy fofona, tsy mitera-doza ho an’ ny fahasalamana noho ny tahan’ny entona karbonika ambany dia ambany avoakany (Iray isan-jato) raha ampitahaina amin’ny entona karbonika avoakan’ny arina fandrehitra rehefa mirehitra izy. Tsy atahorana hipoaka na mitovy kalitao amin’ny lelanafo azo avy amin’ny fampiasana ny fatana mandeha amin’ny entona fandrehitra ihany koa aza ny afo avoakan’ity fatana vokarin’ny”Petroflamme Madagasikara ampiasana ny solitany ity. Tsy atahorana hipoaka ny solintany noho izy tsy mientona.
Nomarihan’i Nrina hatrany nandritra ny tafa nifanaovanay taminy fa atidoha malagasy zato isan-jato no niketrika ny famoronana ny fatana noho ny fahatsapana fa lafo sady mitera-doza ho amin’ny Tontolo iainana sy ny Olombelona ny fampiasana ny arina fandrehitra *Charbon de bois” Nokendrena hamaly ny filan’ny Malagasy isan-tsokajiny rahateo ny fatana mandeha amin’ny solitany vokarin’ny Orinasa “Petroflamme Madagasikara.
Ankoatry ny famokarana ny fatana ; misehatra amin’ny fanamboarana fitaovana fanafanana ny dobo filomanosana sy ny,jacuzzi “SPA” ny Orinasa malagasy”Petroflamme” Tsy ny fatana loatra no amidin’izy ireo, araka izany, fa ny Afo. Ity farany izay akora fototra tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny Zanak’Olombelona. Anjara biriky entin’ny Orinasa”Petroflamme Madagasikara” ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny famokarana ny fatana mandeha amin’ny solitany noho izy mampihena betsaka ny vola mivoaka isam-pianakaviana. Anisan’ny vokatra vaovao nojarian’izy ireo ny fatana mifampitaingina azo ampiasaina miaraka ahitana ny lafaoro sy ny fitonoana sakafo.
Etsy Anjanahary (Arrêt bus pavé) no misy ny toeram-pamokaran’ny “Petroflamme Madagasikara” Ny laharana 034 75 491 90 no ahafahana mitafa mivantana amin’izy ireo. Mendrika fanohanana amin’ny lafiny rehetra ny dingan’asa famoronana fitaovana hanampiana ny mpiara-belona sy hiarovana ny Tontolo iainana tahaka izao mba tsy handova dezaka ireo Taranaka.

Ny toerana misy ny Petroflamme Madagasikara etsy Anjanahary. 
-

OMDA : Hanatanteraka fihaonam-be, miroso amin’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta
This post was originally published on this site.
Ny Alarobia 11 febroary ho avy izao, hanomboka amin’ny sivy ora sy sasany maraina, etsy amin’ny Auditorium “HAVORIA” Anosy no hanatanteraka ny fivoriamben’ny mpikambana rehetra eo anivon’ny”Office Malagasy du Droit d’Auteur” na “OMDA”. Handrafitra ny fandaharam-potoana amin’izany ny fanomezana sehatra malalaka ireo mpikambana amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana manitikitika ireo mpikambana, ny fanaovan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Omda tatitra ara-bola sy ara-moraly. Hisy ihany koa ny fanazavana hoentin’ireo Mpiara-miasa tsara sitrapo hiara-misalahy ho amin’ny fanatanterahana ny sehatrasan’ny Omda. Hotanterahana amin’ity fihaonambe ity ihany koa ny fifidianana ireo hisolo-tena ireo mpamorona eo anivon’ny Filankevim-pitantanan’ny Omda. Hofaranana amin’ny fiaraha-mikorana nohon’ny nahatrarana ny taona vaovao ny fihaonam-be.
Nomarihan’ny filoha Tale jeneralin’ny Omda amperinasa ankehitriny Haja Ranjarivo fa ny “mitaky ny karaman’ireo Mpamorona” izay Zo fenon’izy ireo no anjara asa fototry ny Omda. Ity farany izay efa miroso amin’ny fampiasana ireo teknolojia avo lenta ho amin’ny fanaraha-maso ny fampiasana ireo sanganasan’ny mpamorona eny anivon’ny sehatra rehetra. Ny sehatry ny fitantanana rehetra eo anivon’ny Omda dia efa ampiasana ny teknolojia avo lenta ihany koa mba hisian’ny mangarahara, hoy, hatrany i Haja Ranjarivo, Tale jenetalin’ny Omda. Manodidina ny valopolo sy roanjato sy valo arivo ankehitriny ireo mpikambana eo anivon’ny Omda miely patrana manerana ny Nosy sy hatrany Dilambato. Ireo “Mpamorona” manana sanganasa miisa roa efa niasa no afaka miditra eo anivon’ny Omda. Tsy natao hiaro ny sanganasan’ireo Mpamorona ny Omda fa ny mitaky ny Zon’izy ireo azo avy amin’ny fampiasana ireo sanganasa nojarian’izy ireo ny antom-pisiany, hoy ny Tale jeneralin’ny Omda Haja Ranjarivo.
-

KAOMININA AMBOHIMANGAKELY : Mijoro ny fikambanan’ireo filohan’ny fokontany
This post was originally published on this site.
“Firahalahian’ny filohan’ny fokontany Kaominina Ambohimangakely” na “3FA” Fikambanan’ireo Filohan’ny Fokontany miisa valo ambinifolo mandrafitra ny Kaominina Ambohimangakely, distrikan’Antananarivo avaradrano. Ny Taona 2001 no efa nijoro ny Fikambanana “3FA”. Antom-pisiany ny hanamafisana ny firahalahiana, ny firaisankina ary ny hisian’ny fizarana traikefa sy ny haizatra amin’ny fanatanterahana ireo adidy aman’andraikitra iantsorohan’ireo Filohan’ny Fokontany Ikianja Ambohimangakely. Nanterin’Andriamampianina Solonjatovo, filohan’ny fikambanana “3FA” sady filohan’ny fokontany Ikianja fa manamora ny fanomezan-tanana ho fanampiana ireo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely ny fisian’ny fikambanan’ireo Filohan’ny Fokontany eny Ambohimangakely. Misy hatrany ny fitsimbinana eo amin’ny lafiny sosialy (ankasoavana sy ankaratsiana) eo amin’ireo samy Filohan’ny fokontany mivondrona eo anivon’ny “3FA” Manamora ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana marolafy eo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely, araka izany, ny fisian’ny fikambanana “Firahalahian’ny Filohan’ny Fokontany Kaominina Ambohimangakely. Anisan’ireo asa efa vitan’ny fikambanana ny fanamorana ny famahana ireo olan’ny fisolokiana amin’ny fananan-tany. Raha fintinina manamora ny fifandraisana eo amin’ireo samy tompon’andraikim-panjakana isan’ambaratongany ny fisian’ny fikambanana tahaka izao, Soa fianatra !
-

FITO MIANDALANA Nanao kambantelo, namoaka mpikabary “Mifaditrovana”
This post was originally published on this site.
Boky miisa telo ahitana ny “Fanomezana hafa kely” mirakitra sombintantara, “Hainteny marevaka” ary ny boky “Anjaran-droa” Ireo no boky navoakan’i Fito miandalana na i Randrianiaina Mamison.
Ity farany izay Filohan’ny fikambanana “Seha-pibeazana loharano” misehatra amin’ny fanabeazam-boho ny maha malagasy amin’ny alalan’ny fampianarana kabary. Fito miandalana, mpikabary sy Mpampianatra kabary, mpitantara angano, mpanoratra boky. Mandia ny faha roampolo taona nijoroany ankehitriny ny fikambanana. Ny famoahana ireo boky niampy ny famoahana ireo mpianatra mpikabary misalotra ny anarana andiany “Mifaditrovana” Anarana nisaloran’ny Kaomisera prinsipaly Ranaivoson Alexandre tao anivon’ny kanto. Ity farany izay mpikambana navitrika sy nahavita be tokoa fony fahavelony teo anivon’ny fikambanana”Seha-pibeazana loharano”.
Eo ampamolavolana ny fananganana ny fikambanan’ny mpanoratra, mpisehatra ary ireo mpankafy Hainteny ankehitriny i Fito miandalana sy ny mpanjakavavin’ny Hainteny malagasy Rasoazanatsimba Abeline Eleonore. Ho fanandratana ny Hainteny malagasy sy ho fanabeazam-boho azy no antompisian’ny fikambanana, hoy, I Fito miandalana. Nomarihany fa vitsy no mahafehy ny Hainteny na ny tononkalo malala-drafitra mifototra amin’ny fampiasana ireo ohabolana sy ohapitenenana ny fandrafetana azy. Samy ahitana ireo boky telo navokan”i Fito miandalana avokoa ny trano fivarotam-boky Masindahy Paoly Analakely, Àntso ary ny TPFLM Antaninarenina.
-

FIANGONANA HEBREO NOTSRYM Manomana “konferensa” lehibe
This post was originally published on this site.
Ny Alahady 18 Janoary hoavy izao, hanomboka amin’ny sivy ora sy sasany maraina, etsy Ankasina”Bet kneset” trano fivavahan’ny Fiangonana Hebreo notsrym. Efajato metatra atsinanan’ny Gare routière Maki Andohatapenaka, amin’ny ankavanan-dalana, trano simenitra lehibe miendrika sambo no hanatanteraka fifanakalozan-kevitra malalaka ny fikambanana”Malagasy Nosy miavaka” izay misy ny Fiangonana Hebreo notsrym. Hitarika ny fifanakalozan-kevitra i Shalar Andriamady Rija, mpitarika ny Fiangonana Hebreo notsrym eto Madagasikara.
Antom-pisian’ny fanatanterahana ny “konferensa” ny fahatsapana fa maro amin’ireo Olombelona manaraka ny fandaharana amin’ny Onjam-peo no manana faniriana te hivavaka hiaraka amin’ny Fiangonana Hebreo notsrym. Mila fantarina aloha ny fivavahana Hebreo sy ny litorjia mampiavaka ny fivavahana Hebreo mialohan’ny handraisana fanapahan-kevitra hiroso na tsia ho amin’ny fanarahana azy, hoy, i Shalar Andriamady Rija. Manana ny fomba fitafiny, sakafo mampiavaka azy ihany koa ireo manaraka ny fivavahana Hebreo notsrym koa mila fantarina avokoa izany. Ankoatry ireo efa mangetaheta ny hivavaka amin’ny Fiangonana Hebreo notsrym dia andrasana handray anjara mavitrika amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana malalaka ireo tsy resy lahatra amin’ny fanarahana ny fivavahana Hebreo. Tanjon’ny fanatanterahana ny fifanakalozan-kevitra, araka izany, ny hampahafantarana bebe kokoa hatrany ho an’ny besinimaro ny tontolon’ny fivavahana Hebreo. Tsy fandresen-dahatra no atao, hoy, i Shalar Andriamady Rija ny Alahady 18 Janoary ho avy izao, etsy Ankasina, fa fifanakalozan-kevitra ho tsinjo dia ho an’ny rehetra.