Auteur/autrice : Lalasoa R.
-

ORINASA AFAKA HABA AMBOHIMANGAKELY Miteraka fofona maimbo ho an’ireo Mponina sy tohamboivoy goavana isanandro
This post was originally published on this site.
Fofona maimbo mila hanempotra isanandro vaky no iainan’ireo Mponina sy ireo sendra mandalo manodidina ny Orinasa afaka haba misehatra amin’ny lafiny fanjairana akanjo. Ity farany izay miorina manamorona ny lalam-pirenena faharoa sahabo ho iray kilometatra tsy hidirana ny Tananan’Ambohimangakely. Tandindomin-doza ny fahasalamanay, hoy, ity Mponina iray nitafa fohy taminay teny an-toerana noho ny fahalotoan’ny rivotra iainana isanandro. Marihana fa efa an-taonany maro ity Orinasa afaka haba an’ny tertany Vahiny ity no mamoaka fofona maimbo sy manempotra.
Ny nahagaga anefa dia samy tsy nisy nahavita niteny na mba nanentana ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Orinasa ireo Ben’ny Tananan’Ambohimangakely nifandimby. Ankehitriny, ireo Mponina eny an-toerana mihitsy no efa manao antso avo mivantana mba hijerena akaiky ity tranga ity sy ny handraisana fepetra hentitra ho fiahiana ny Mponina. Ankoatry ny fofona maimbo avoakan’ity Orinasa afaka haba etsy Ambohimangakely ity ; miteraka tohamboivoy “Embouteillage” lehibe ihany koa rehefa amin’ny hariva ora firavan’ireo Mpiasa. Maro amin’ireo fiara fitateram-bahoaka miasa eny an-toerana no mijanona amin’ny sisin-dalaba roa manodidina ity Orinasa ity. Vokany, mihena ny velaran’ny arabe azo ampiasaina. Misy ihany ireo Polisy kaominaly miezaka mandrindra ny fifamoivoizana saingy tsy to teny amin’ireo mpamily. Miandry ny fandraisan’andraikitry ny avy eo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely, araka izany, ny mponin’Ambohimangakely amin’ireo olana roa sosona ateraky ny fisian’ity orinasa afaka haba ity.
-

ANTANANARIVO RENIVOHITRA Manjaka tanteraka ny gaboraraka
This post was originally published on this site.
Fako miavosa, sisin-dalana feno mpivarotra, fitohanan’ny fifamoivoizana tsy hita noanoa noho ny gaboraraka eo amin’ny tsy fampiharana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, sns. Ireo no ampahany amin’ny fisian’ny gaboraraka eto amin’ny Renivohitry Madagasikara. Nankaiza ny Ben’ny Tanàna sy ireo tomponandraikitra rehetra eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo, hoy, ny Mponina izay mizaka ny tsy eran’ny aina hatrany ? Alaim-panahy ny maro nilaza fa misy ambadika politika maloto ihany ny tranga misy ankehitriny eto Analamanga. Aoka mba tsy ho hatao takalonaina hatrany ny mponin’Iarivo izay manana Zo feno hiaina anaty Tanàna milamina, madio ary mirindra noho ny kajikajy politika tsy mikatsaka afa tsy ny tombontsoa ho an’olon-tokana na vondron’olona manokana. Nankaiza ilay Ben’ny Tanàna tsy sasatry ny namerimberina fa vonona ny hitondra fampandrosoana sy fivoarana ho an’ny Renivohitry Madagasikara sa mbola variana loatra anatin’ny sangodim-panina politika mahavalalanina ny maro hatramin’izao ? Loza raha izay tokoa fa dia ho ambony ambany ilay Iarivo tsy foiko. Ankehitriny, miaina anaty tsy fandriam-pahalemana ihany koa ny “Iarivo lahy tsy maty indray andro”.