Auteur/autrice : Lalasoa R.

  • “ZOKY MISA” “Fanovana tena izy no nitolomana fa tsy sadasada…”

    “ZOKY MISA” “Fanovana tena izy no nitolomana fa tsy sadasada…”

    This post was originally published on this site.

    “Aoka mba ho tena Fanovana fa tsy ho sadasada ny “Fanovana” hisy taorian’ny fandresen’ny tolona notarihan’ireo Tanora leo fanapenam-bava sy tofoka tamin’ny tsy fisian’ny fahalalahana maneho hevitra” Io no fanehoan-kevitra nentin’i Zoky MISA, manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny.

    Ny fisian’ny tena Fanovana no hiteraka ny fampandrosoana noho ny “Fanovana” hamongotra hatrany ifotony ny gaboraraka, ny tsy fahaiza-mitantana, ny fampanjakana ny “Akamakama”, sns. Tsy ho mora anefa ny hanatanterahana ilay dradraina ankehitriny hoe “Tena Fanovana” raha tsy eo ny fahasahiana sy ny fananana paikady maty paika mety sy sahaza ny Malagasy ary ny fanovana ny foto-pisainana lomoron’ny fitiavam-pahefana diso tafahoatra sy ny fitiavam-bola diso fatra.

    Nanterin’i Zoky MISA nandritra ny tafa nifanaovanay taminy fa ara-drariny raha toa ka ireo Tanora nitarika ny tolona no hatao laharam-pahamehana ny famahana ny olan’izy ireo ; toy ny tsy fisian’asa izay mety hitarika azy ireo hivarilavo. Mila jerena akaiky ihany koa ny lafiny fampianarana mba ho sehatra afaka mamolavola taranaka Vanona sy Vonona ho amin’ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara tokoa ireo Solofo sy Dimby nisitraka fanabeazana ombana fampianarana mifaka amin’ny maha Malagasy sy sahaza ilay Madagasikara ; fa tsy fandaharam-pianarana natao dika mitovy tamin’ny an’ny Firenena Vahiny efa nampitondra faisana ny Malagasy.

    Mitaky fijerena manokana ireo “Lalàna” ny fanatanterahana ireo rehetra ireo, hoy, hatrany i Zoky MISA fa tsy vitan’ny resaka am-bava ombana tora-po fotsiny.

    Mila “Okom-baovao” mahafantatra ny tena olana fototra mahazo azy i Madagasikara mba hahafahan’ny Malagasy misitraka sy miandrandra fiainana tsara kokoa. Anisan’ny azo antenaina hitondra izany ireo Tanora. Ny tena fahombiazana anefa dia ny fiaraha-miasa sy mientana eo amin’ny Vahoaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka. “Tsy adidiko Izaho samy irery, fa Adidiko Izaho sy Ianareo” hoy ny Ombalahibemaso. Hirariana mba tsy hitranga ny fanilihana sy ny fiheveran-tena ho tonga lafatra sy valaben’ny fahalalana. Sarotra fa mila fanetre-tena tanteraka izany. Tsy mora, araka izany, ny mametraka ilay “Tena Fanovana” fa tsy sadasada. Mila fahasahiana sy fahamailona tanteraka fa tsy kely lalana ny ratsy sy ireo zatra ny lalan-dririnina.

  • “HASIN’NY ZAZA MANGA” Mitsabo amin’ny fomba nentim-paharazana

    “HASIN’NY ZAZA MANGA” Mitsabo amin’ny fomba nentim-paharazana

    This post was originally published on this site.

    Trano fitsaboana” Hasin’ny zaza manga” Io no anarana nasalotr’i Rakotondravao Tsy Very Zo Sarobidy ny toerana fitsaboana ireo Olombelona tojo olana eo amin’ny saina, vatana ary ny fanahy, miorina, etsy Manjaka Ilafy. Akaikin’ny EPP Manjaka, faran’ny zotra 126.

    “Lova avy amin’ireo Ray aman-dreny nipoirako avy any avaratr’Ivato Imerimandroso (Antanetiben’ny zaza manga) ny fanomezam-pahasoavana ananako eo amin’ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana mahasahiana ny lafiny fahasalamana (Ireo aretina tsy fantam-pototra) sy ny famahana ireo olana eo amin’ny fiainana (fihariana, fitiavana, fiarovan-tena amin’ny endrika fisomparana, sns)” hoy, i Sarobidy. Ny fampiasana ny ravinkazo, tany, rano ary ny hazo no entin’i Sarobidy mamaha ny olan’ireo mpiara-belona aminy. Ny fanajana ny fomba sy ny fady no antoka lehibe hahafahana mitazona ny “Hasina” koa hahazoana ny fahombiazana eo amin’ny fiainana, hoy, hatrany i Sarobidy. Ity farany izay tsy nionona hatreo amin’ny fandovana ilay fanomezam-pahasoavana fa nandalina ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana ihany koa.

    Ny hanampy hatrany ireo mpiara-belona amin’ny famahana ireo olana mety ho tojo ny isam-batan’olona eo ampamakivakiana ny fiainana, araka izany, no antompisian’ny trano fitsaboana” Hasin’ny zaza manga” tarihan’i Sarobidy, etsy, Manjaka Ilafy. Marihana fa anisan’ ireo “Zaza manga” nanana fahaizana manokana amin’ny fomba fiarovana amin’ny havandra, ny varatra ary nanampy ireo mpitolona tamin’ny fanamboarana ny “Ody bala” tamin’ny taona 1947 ny Dadaben’i Sarobidy. Ity farany izay anisan’ny mpikambana mandrafitra ny biraon’ny “ANTM” Fikambanana ivondronan’ireo mpisehatra amin’ny fitsaboana nentim- paharazana eto Madagasikara.

  • FIANGONANA “HEBREO NOTSRYM” Nankalaza ny “Yôm Teroa”, nitondra am-bavaka ny Firenena

    FIANGONANA “HEBREO NOTSRYM” Nankalaza ny “Yôm Teroa”, nitondra am-bavaka ny Firenena

    This post was originally published on this site.

    Ny tontolo andron’ny Alahady 28 Septambra lasa teo, tetsy amin’ny “Bet kneset” (Trano fivavahana) Ankasina, no hanamarika ny “Yôm Teroa” na ny “fetin’ny trompetra” ireo avy eo anivon’ny Fiangonana”Hebreo notsrym” tarihan’i Shalar Rija Andriamady.

    Ny “Fetin’ny trompetra” izay midika ho fankalazana ny fiavian’i Mesia eny amin’ny rahon’ny lanitra. Maneho ny fahatsiarovana ny nidiran’ny Zanak’Israely tao Kanana izay tany nampanantenaina azy ireo ihany koa ny “Yôm Teroa”.

    Ankoatry ny fitondrana am-bavaka ny taom-pambolena mba ho zina dia niantso fitoniana ho an’ny Vahoaka Malagasy ihany koa i Shalar Rija Andriamady mpitarika ny Fiangonana Hebreo notsrym eto Madagasikara. Nitrotro am-bavaka ny Firenena ihany koa ireo teo anivon’ny Fiangonana Hebreo notsrym manoloana ny zavamisy iainan’ny Malagasy ankehitriny. Ankoatry ny fisian’ny fotoam-pivavahana sy fitsofan-drano nataon’ireo Raiamandreny dia nandrafitra ny fandaharam potoana teny Ankasina ihany koa ny fiaraha-misakafo “Hanim-pitoloha” nialohavan’ny Vary amin-tantely tondraha-dronono.

    Azo ambara ho fanamarihana ny “Taom-baovao lohataona” ihany koa ny fankalazana ny “Fetin’ny trompetra” ho an’ny fiangonana”Hebreo notsrym” Marihana fa ny Hebreo sy ny Malagasy ihany no mankalaza Taom-baovao miisa roa. Nomarihan’ny Shalar Rija Andriamady fa samy mitombona sy marim-pototra avokoa ny Fankalazana ny “Taom-baovao lohataona” sy ny “Taom-baovao fidiovana” koa tsy tokony hiteraka fisaraham-bazana fa vao mainka aza hampiray hina hatrany. Manaporofo indray izany fa maro amin’ny Malagasy no taranaka Hebreo. Dihy sy toto-rebika no tazana tetsy Ankasina, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny trompetra.

  • FIANGONANA “HEBREO NOTSRYM” Hankalaza ny Yòm Teroa”

    FIANGONANA “HEBREO NOTSRYM” Hankalaza ny Yòm Teroa”

    This post was originally published on this site.

    Ny tontolo andron’ny Alahady 28 Septambra hoavy izao, etsy amin’ny “Bet kneset” (Trano fivavahana) Ankasina, no hanamarika ny “Yòm Teroa” na ny “fetin’ny trompetra” ireo avy eo anivon’ny Fiangonana”Hebreo notsrym” tarihan’i Shalar Rija Andriamady.

    Ny “Fetin’ny trompetra” izay midika ho fankalazana ny fiavian’i Mesia eny amin’ny rahon’ny lanitra. Maneho ny fahatsiarovana ny nidiran’ny Zanak’Israely tao Kanana izay tany nampanantenaina azy ireo ihany koa ny “Yòm Teroa”.

    Azo ambara sy hazavaina ho fanamarihana ny “Taom-baovao lohataona” ihany koa ny fankalazana ny “Fetin’ny trompetra” ho an’ny fiangonana”Hebreo notsrym” Fotoana fangatahana tsodrano sy fitahiana mba hahavokatra amin’ny asa fambolena sy ny fiompiana atao mandritra ny taom-piasana ihany koa, araka izany, ny “Yôm Teroa” noho ny Fiangonana “Hebreo notsrym” manaraka ny tsingerim-pambolena ny Alimanakan’izy ireo. Marihana fa Ny Hebreo sy ny Malagasy ihany no mankalaza Taom-baovao miisa roa. Nomarihan’ny Shalar Rija Andriamady fa samy mitombona sy marim-pototra avokoa ny fankalazana ny “Taom-baovao lohataona” sy ny “Taom-baovao fidiovana” koa tsy tokony hiteraka fisaraham-bazana fa vao mainka aza hampiray hina hatrany.

    Manaporofo indray izany fa maro amin’ny Malagasy no taranaka Hebreo. Hisy ny fotoam-pivavahana sy sakafo ary fitsofan-drano ataon’ireo raiamandreny mba ho Soa sy ho zina ny taona. Nanterin’ny Shalar Rija Andriamady hatrany fa mila miverina amin’ny fivavahan-drazany ny Malagasy mba hahafahana miala amin’ny “Ozon-drazana” mahazo antsika ankehitriny. Teny hatsipy ho an’ny “Manam-panahy”.