This post was originally published on this site.
Tontosa soa aman-tsara, ny zoma 17 oktobra 2025, teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na ny HCC, eny Ambohidahy, ny lanonam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fihanianan’ny Kolonely Randrianirina Michael, izay voatendry ho Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana laharana faha-10- HCC/D3, tamin’ny 14 oktobra 2025.
Tonga nanatrika izany ireo Olo-manan-kaja maro Malagasy sy teratany vahiny, sivily sy miaramila. Tonga nanotrona teny an-toerana ireo mpikambana avy amin’ny Fitsarana Avo, ireo Manamboninahitra sivily sy miaramila. Ireo tomponandraikitra ambony maro samihafa. Anisan’izany ny filoha vaovaon’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza, Randrianasoloniaiko Siteny. Teo ihany koa ny filohan’ny antoko politika TIM sady filoham-pirenena teo aloha, Ravalomanana Marc. Ny filohan’ny antoko politika HVM, Rakotovao Rivo. Ny filoha teo alohan’ny Antenimierampirenena, Rakotomamonjy Jean Max. Ireo Solombavambahoaka voafidy sy ireo Loholona voatendry eto Madagasikara. Ankoatra ireo dia tonga nanotrona ny fotoana ihany koa ireo Masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika.
Anisan’izany ny Ambasadaorin’i Etazonia, Claire Pierangelo. Ny Ambasadaorin’ny Vondrona Eoropeanina, Roland Kobia. Ny Ambasadaorin’ny Allemagne, Olivier Knoerich. Ny Ambasadaorin’ny Frantsay, Arnaud Guillois. Ny Ambasadaoran’i Russie, Andreev Andrey Vladimirovich. Ny iraka diplaomatika Sinoa sy Koreanina Tatsimo. Na namoaka fanambarana momba ny fampiatoan’ny Vondrona Afrikanina amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara aza ity Vondrona ity dia tonga nanotrona ny lanonana ireo Masoivoho miasa sy monina eto Madagasikara ireo Raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana. Ny solontenan’ireo tanora eto amin’ny lafivalon’ny Nosy.
Ny filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael, izay nanambara fa anisany laharam-pahamehana ho an’ity Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ity, ny andraikitra sy fanamby lehibe izay mitaky fahitsiana sy fahaiza-manao matihanina amin’ny famolavolana ny Firenena ao anatin’ny fitondrana tan-dalàna hatrany. Eo ihany koa ny fitondrana vahaolana haingana sy maharitra ka hivoahana amin’izao fahasarotana izao. Ny hamaliana ny hetahetan’ireo mponina ifotony sy ny fijerena ny lafiny ara-tsosialin’ny mponina mba hahafahana miatrika ny andavanandrom-piainana.
Araka izany dia naneho fahavononana tanteraka hiatrika izany ny filoham-panjakana. Miantso ny rehetra ihany koa hifanome tanana sy hifanohana mba hanatratrarana miaraka izany tanjona lehibe izany. Ankoatra ireo dia ny fametrahana Praiminisitra vaovao izay hiantsoana ny rehetra indrindra fa ny tanora. Amin’izao fotoana izao dia efa misy ihany koa ny fifampiresahan’ny filoham-panjakana Randrianirina Michael, amin’ireo diplaomaty isan-karazany, araka ny fanazavana voaray.
Articles similaires