Blog

  • Ny Filoha Andry Rajoelina tsy hilatsaka intsony amin’ny fifidianana manaraka

    Ny Filoha Andry Rajoelina tsy hilatsaka intsony amin’ny fifidianana manaraka

    This post was originally published on this site.


    image

    V I DE O   E T O

    image

    Tamin’iny 25 septambra iny, zavatra hafa no tetika saika natao teto amintsika , nisy teti-dratsy tao. Marina anie fa mitombina ny fitakianareo : mijaly jiro, mijaly rano. Matoa ianareo niteny dia iaraha manaiky izany. Fa fijaliana iarahantsika manana izany.

    Fa izao: mitandrema ianareo tanora : aleo isika naman’ny mpanangana toy izay naman’ny mpandrava. Raha misy faharavana eto amin’ny firenena dia fahavoazana ho an’ny Malagasy ; fahavoazana ho an’i Madagasikara, ary fahavoazana ho an’ny tanora Malagasy. Satria tsy tokony toetra mpandrava no ataontsika fa toetra miara-manorina ary miara-manangana. Raha misy olana dia handao isika hiaraka hidinika sy hametraka ny vahaolana ho an’ny firenena.

    image

    Izany ny anton-javatra niverenako teto, milaza aminareo. Be dia be ireo niteny, satria ny zavatra nitranga teto amintsika rehefa nipoaka ireny zavatra tamin’ny 25 septambra ireny. Tsy ianareo tanora anie no namaky ny magazay e ; tsy ianareo tanora anie no nandeha nandoro sy nandroba e. Tokony ho tonga saina amin’izany isika. Ny orinasako tsy mampaninona ahy izany, izay nahoriko nandritra 25 taona ao anatin’ny camera ary ho asehoko anareo izany. 25 taona.

    Jereo : olona anankitelo no niditra tao; nandoro ny machines rehetra. Fantatra hoe iza ireo olona ireo. Ho “réglé-ntsika ny kaontiny” tsy ho ela moa. Tsy maintsy satria izay mpandroba tsy ho ekentsika.

    Ny zavatra tian-drizareo natao dia tsotra : ny ampitson’iny, le 26 (septembre), mbola nitohy ihany ny fandrobana ; mbola nitohy ihany ny fandravana teto amintsika, mba eritreretina ny hoe : tsy nisy fanjakana intsony teto. Le 27 (septembre), hitanareo hatrany amin’ny fiangonana aza, “no-terrorizena”-, nidirana mihitsy hoe tsy misy fitondrana intsony teto.


    Nilaza ny Praiminisitra tamin’izany hoe “couvre-feu” fa “défier”-drizareo mihitsy hoe tsisy “couvre-feu” izany fa mandefa hira eraky ny tanàna hoe tsisy fitondrana intsony. “Menacé-na” aho. “Menacé-na” aho, teneniko aminareo hoe: Monsieur le Président, raha mody ao Madagasikara ianao dia misy efa andia-tafika “hi-kidnapper” anao ary tsy maintsy hanery anao “hi-démissionne” (hametra-pialana) Marina nolazaiko anareo. Raha tonga eto ianao dia hisy hamono. Ary jereo tsara fa nisy niteny hoe iny fa tonga eny amin’ny aéroport” ny avion hitondra ny Filoha : nisy andian’olona nankany: Haninona ?

    Fa izao : matoa aho niverina eto Madagasikara tamin’ny fomba rehetra, tsy tonga tao Ivato aho; tany amin’ny aéroport hafa no natongavako satria tsy tiako ho rava ny firenena. Tsy tiako ho potika i Madagasikara. Ary matoa aho tonga eto, niverina eto dia tiako ho renareo : tsy resaka fahefana, tsy resaka fitiavan-tseza, fa tsy tiako ho potika ity tanindrazana malalan-tsika ity, tsy tiako ho potika i Madagasikara.

    image

    Ary matoa aho mijoro te-hametraka zavatra tsara ho an’ny taranaka faramandimby. Ny zavatra tiako ary mba hiriko, ary ny zavatra ho apetrako ary zavatra ho soniaviko ary ny zavatra holazaiko : rehefa tapitra ny “mandat­ko”, afaka telo taona, dia mba tsy hisy iainana “délestages” izany intsony ny taranaka faramandimby sy ianareo tanora. Ho apetrako izany ary ho ataoko izany.

    Eto anatrehanareo rehetra aho, eto amin’ity toerana ity, izay nanaovako kabary tamin’ny 2013. Teto amin’ity toerana ity. Ny tantara-politika… ianareo mety mbola tsy teraka tamin’izany na mety mbola 5 taona na 6 taona; fa tantara-politika no horesahiko anareo androany. Nisy krizy teto tamin’ny 2009; nisy ny fivoriana natao niaraka tamin’ny SADC, nisy ny fihaonana natao tany Maputo, Gaborone…

    image

    Ary ny tenako sy ny Filoha teo aloha, Ravalomanana, nivory tany Seychelles hamaha ny krizy. Rehefa hamaha ny krizy tamin’izany dia nivory izahay miralahy mianaka. “Izaho” hoy izy “tsy maintsy hody any Madagasikara ary izaho tsy maintsy milatsaka filoham-pirenena; samy milatsaka isika ialahy”. Izay no noteneniny mialatsiny izay noteneniny tamiko dia averiko aminareo.

    image

    Dia izao tamin’io, niteny ny SADC hoe : “Monsieur le Président, vous êtes jeune, vous avez la chance de remporter les élections ; il faut que l’ancien Président rentre à Madagascar ”. Dia samy milatsaka ianareo rehetra. Izahay SADC tsy « contre » mihitsy hoe ianao hilatsaka ho Filoha. Tamin’izany fotoana izany, nisy ny zavatra tany Côte d’Ivoire. Nisy fifidianana tany, nisy fifandonana niaraka tamin’i Alassane Ouattara sy Gbagbo : 3.000 ny isan’ny olona maty.

    Ny zavatra nitranga, nankany Roma aho nihaona tamin’ny Pape François. Izaho no anisan’ny « Chefs d’État » noraisiny voalohany, ary izay angamba no nifankazahoanay. Tonga teto amin’ity toerana ity izy. Dia hoy aho mantsy amin’i Pape François hoe: « Saint Père », -se confier taminy aho- : hisy « élection » any Madagasikara ; je préfère me sacrifier que de sacrifier le peuple malagasy. Et j’ai pris la décision de ne pas me porter candidat à l’élection à Madagascar ». Dia notsofin’ny rano aho. Izay no antony tsy nilatsahako filoham-pirenena tamin’ny taona 2013.

    image

    Hanatra politika : vao nilaza aho hoe tsy hilatsaka, be dia be ny mpiara-miasa tamiko no tsy hita intsony fa dia nakary sy nakary sy nakary. Eo no nahitana ny tena namana. Izao ny zavatra mitranga, ary teto amin’ity toerana ity aho no niteny tamin’ny 2013. Misy ny nino, misy ny tsy nino hoe: nadio aho niditra teto Iavoloha ary madio aho no mivoaka eto. 2013. Ny teniko dia hoe : “ Rendez-vous amin’ny 2018 ”. Tafaverina nitondra aho ary isaorako ny vahoaka Malagasy nifidy ahy tamin’ny 2018.

    Androany aho eto anatrehanareo, manatrika etoana, miteny aminareo : tsy vahaolana ny korontana izay tiana apetraka eto amin’ny firenena. Tsy tiako ho ohatran’ny an’i Haïti : tsy misy fitondrana anie any Haïti amintsika miteny izao ry zareo, fa ny “gangs” no mitantana ny firenena any. Noho izany, amin’ny maha-Filohan’ny Firenena Malagasy ahy, dia miteny aminareo aho: ho ataoko ny ezaka rehetra, aho ataoko ny fomba rehetra, mba hampamiratra sy hampisongadina an’ity Madagasikara ity. Mandra-pahatapitra ny “mandat­ko”.

    image

    Vita ny “mandat­-ko”, mety betsaka no ho faly ary mety betsaka no mitomany any an-tokantrano any ankehitriny. Fa mitadiava ianareo hisolo ahy fa izaho tsy hilatsaka intsony amin’ny fifidianana manaraka.

    Mety be dia be ny olona “hi-démissionnent”, mety be dia be ny olona hanary ahy, mety be dia be ny olona alahelo ihany koa. Fa “mission”. Matoa aho miverina eto dia “mission” nankinin’Andriamanitra ary tsy ho avelan’Andriamanitra ho resy i Madagasikara.

    image

    Tsy avelan’Andriamanitra ho hanjaka ny ratsy, fa kosa ny tetikasa rehetra izay napetrantsika, dia miteny aminareo aho fa tsy maintsy ho vitaiko, ary mbola teneniko eto indray : tapitra ny “mandat­-ko”; tsy hisy “délestages” intsony eto Madagasikara. Tsy maintsy ho vitako izany ary tsy maintsy hotratrako izany./.

    Andry Rajoelina, Filoham-pirenenan’i Madagasikara

    Lapam-panjakana eny Iavoloha, Alarobia 08 Oktobra 2025

    Nandray an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

  • COTE D’IVOIRE Troisième pays le plus riche d’Afrique subsaharienne, hors très petits pays

    COTE D’IVOIRE Troisième pays le plus riche d’Afrique subsaharienne, hors très petits pays

    This post was originally published on this site.

    En dehors des pays de moins de trois millions d’habitants, la Côte d’Ivoire affiche désormais le troisième niveau le plus élevé de PIB par habitant en Afrique subsaharienne, après l’Afrique du Sud, plus grand pays minier du continent, et l’Angola, grand pays pétrolier ayant extrait 31 fois plus de pétrole en 2024, et qu’elle devrait dépasser en 2026. Cette évolution résulte notamment d’une politique de diversification et d’industrialisation, faisant de la Côte d’Ivoire l’économie la plus dynamique du continent, au vu de ses taux de croissance et de son niveau de richesse.

    Selon les dernières données du FMI, la Côte d’Ivoire a affiché un PIB par habitant de 2 723 dollars en 2024, se positionnant ainsi à la première place des pays d’Afrique de l’Ouest continentale, et à la troisième en Afrique subsaharienne, hors pays de moins de trois millions d’habitants (selon les données démographiques du PRB). Pour rappel, et bien qu’étant lui-même imparfait, le PIB par habitant est l’indicateur le plus efficace pour comparer les niveaux de richesse, étant donné que le PIB nominal dépend en bonne partie du poids démographique, avantageant systématiquement les pays les plus peuplés dans les classements.

    En effet, et à niveau de développement égal, une population deux fois plus nombreuse, par exemple, implique automatiquement une activité économique environ deux fois plus importante (deux fois plus de boulangers, de cordonniers…). Ce qui double le PIB total, et place donc en tête les pays les plus peuplés, même s’ils sont moins développés et moins dynamiques économiquement. Toutefois, et si les très petits pays sont alors systématiquement désavantagés, ils sont à l’inverse clairement avantagés dans le calcul du PIB par habitant, ce qui nécessite bien souvent de les compter à part, afin d’éviter, là aussi, toute interprétation erronée des statistiques.

    La Côte d’Ivoire, troisième pays le plus riche, après l’Afrique du Sud et l’Angola

    En dehors, donc, des pays de moins de trois millions d’habitants, comme les Seychelles, pays le plus riche d’Afrique (avec un PIB par habitant de 21 532 dollars, mais qui ne compte qu’environ 120 mille habitants), Maurice, deuxième pays le plus riche (11 883 dollars, et seulement 1,3 million d’habitants), ou encore le Gabon, pays le plus prospère d’Afrique continentale (9 202 dollars, pour 2,5 millions d’habitants) et la Guinée équatoriale (seconde, suivie par le Botswana, deuxième producteur mondial de diamants, après la Russie, et au PIB par habitant de 7 117 dollars), la Côte d’Ivoire se classe en troisième position en Afrique subsaharienne derrière l’Afrique du Sud (6 332) et l’Angola (3 054). Cette dernière n’est donc plus devancée que par deux pays regorgeant de richesses naturelles non renouvelables, bien plus importantes que les siennes.

    En effet, l’Afrique du Sud est de très loin le plus gros producteur minier du continent, tandis que l’Angola est le troisième producteur africain de pétrole, ayant extrait 31 fois plus de pétrole que la Côte d’Ivoire en 2024, tout en étant le second producteur africain de diamants, et le quatrième au niveau mondial. Selon les prévisions du FMI, ce dernier pays devrait toutefois être, à son tour, dépassé par la Côte d’Ivoire en 2026, malgré ses gigantesques richesses naturelles.

    En occupant la troisième place, le pays d’Houphouët-Boigny, se trouve ainsi devant le Ghana (2 406 dollars), la Mauritanie (2 362), la République du Congo (2 360) et le Kenya (2 305 dollars, et pays le plus prospère d’Afrique de l’Est continentale, hors Djibouti francophone). Par ailleurs, la Côte d’Ivoire se classe ainsi très loin devant des pays comme l’Éthiopie (1 320 dollars), ou encore le Nigeria (environ 1 100 dollars, après rebasage récent du PIB, non encore pris en compte par le FMI) et le Rwanda (1 028), qui affichent donc, respectivement, des niveaux de PIB par habitant 2,5 et 2,6 fois inférieurs à celui de la Côte d’Ivoire.

    Ces deux derniers pays font donc partie des pays africains les plus pauvres et les moins développés, en occupant respectivement les 34e et 38e places au niveau continental (rebasage du PIB nigérian pris en compte), et ce, en dépit des énormes richesses pétrolières et gazières du Nigeria, et malgré l’exploitation illégale des richesses minières de la RDC voisine par le Rwanda, dont elles constituent désormais une partie importante des exportations.

    La performance de la Côte d’Ivoire est d’autant plus exceptionnelle que le pays dispose de richesses naturelles très inférieures à celles de bon nombre de pays africains. À titre d’exemple, et pour l’année 2024, elle a produit 5,1 fois moins de pétrole et 2,4 fois moins d’or que le Ghana voisin (au nombre d’habitants à peu près égal), ou encore 37 fois moins de pétrole que le Nigeria (soit près de 37 000 barils par jour, contre 1,34 million !), dont la richesse par habitant est pourtant 2,5 fois inférieure. Par ailleurs, et grâce à ce dynamisme, la Côte d’Ivoire vient également de réussir à l’exploit de dépasser la Tanzanie en termes de PIB nominal, alors que cette dernière est plus de deux fois plus peuplée.

    Un pays très dynamique, en voie d’industrialisation rapide

    Le classement de la Côte d’Ivoire résulte de son dynamisme exceptionnel, qui se manifeste notamment par des taux de croissance très élevés, de l’ordre de 6 % par an. En effet, le pays a connu une progression annuelle de son PIB de 6,1 % en moyenne sur la décennie 2015-2024. Sur cette période de dix années, la Côte d’Ivoire a ainsi réalisé des taux de croissance largement supérieurs à ceux du Ghana (taux annuel de seulement 4,4 %), du Kenya (4,6 %), du Nigeria (1,7 %), ou encore de l’Afrique du Sud et de l’Angola, qui ont enregistré une croissance annuelle quasi nulle (respectivement 0,7 % et 0,6 %). Le Nigéria, l’Afrique du Sud et le l’Angola ont ainsi enregistré des taux de croissance inférieurs à leur croissance démographique, ce qui signifie que ces pays s’appauvrissent, et qu’ils ne sont donc pas des pays émergents. La Côte d’Ivoire a également dépassé le Sénégal, un des pays les plus dynamiques du continent (5,4 %, et un PIB par habitant de 1 763 dollars en 2024).

    En réalisant des taux de croissance aussi élevés, comparables à ceux que l’on peut retrouver chez certains des pays les plus pauvres, au PIB par habitant deux à trois fois inférieur (comme l’Éthiopie et le Rwanda), la Côte d’Ivoire, membre de l’espace UEMOA, réaffirme ainsi son statut d’économie la plus dynamique du continent africain. Une grande performance, qui est elle-même le fruit des nombreuses réformes accomplies ces dernières années en matière d’amélioration de l’environnement des affaires, de bonne gouvernance et de lutte contre la corruption, ainsi que d’une politique volontariste en matière de diversification et d’industrialisation, notamment à travers la transformation locale de l’importante production agricole du pays, source de valeur ajoutée bien plus élevée. Ainsi, et tout en ayant augmenté considérablement sa production agricole au cours de la dernière décennie, la Côte d’Ivoire est parvenue à accroître très fortement les taux de transformation locale grâce à l’implantation de plusieurs dizaines de grandes entreprises à travers le pays. Une évolution qui devrait contribuer à faire prochainement de la Côte d’Ivoire l’un des deux pays les plus industrialisés d’Afrique subsaharienne, avec l’Afrique du Sud.

    En effet, la Côte d’Ivoire transforme désormais, tous stades de transformation confondus, environ 80 % de sa production de caoutchouc naturel (dont elle est devenue le premier producteur africain et le troisième mondial, après en avoir multiplié la production par six au cours des quinze dernières années), près de 70 % de sa production de thon (dont elle est le premier producteur africain), près de 45 % de sa production de cacao (premier producteur mondial), et près de 30 % de sa production de noix de cajou (contre seulement 6% en 2016, et dont elle est également devenue le premier producteur mondial). Le pays ambitionne d’ailleurs d’atteindre un taux de transformation de 100 % pour le cacao d’ici 2030, et de 50% pour les noix de cajou d’ici 2027.

    Quant à la lutte contre la corruption, la Côte d’Ivoire se distingue en faisant désormais partie des pays les moins touchés par ce fléau sur le continent africain, et même au niveau mondial. En effet, elle se classe à la 69e place, sur un total de 180 pays, dans le dernier classement annuel publié en 2024 par l’organisation Transparency International (l’indice de perception de la corruption). Se retrouvant au même niveau que le Sénégal et le Bénin (69e place également), faisant mieux que les pays du Maghreb, et devançant même deux pays membres de l’Union européenne, elle arrive donc devant des pays comme le Ghana (80e) et l’Afrique du Sud (82e), et se retrouve très loin devant des pays comme le Kenya et l’Angola (121e chacun), le Nigeria (140) ou encore le Mali, membre de l’AES (135e).

    Grâce à l’ensemble des mesures audacieuses prises au cours des dernières années, la Côte d’Ivoire est aujourd’hui un véritable chantier à ciel ouvert, où se multiplient les grands travaux d’infrastructures ainsi que les grandes réalisations architecturales. À titre d’exemple, le pays est en train de construire la plus haute tour d’Afrique et du monde francophone (la Tour F), qui devrait être achevée en 2026 et culminer à une hauteur de non moins de 404 mètres, antenne incluse (dépassant également tous les gratte-ciel de des pays de l’Union européenne).

    Source : Centre d’étude et de réflexion sur le monde francophone (CERMF)

    Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

  • Madagasikara. Lapam-panjakana eny Iavoloha, Talata 08 Oktobra 2025. Fanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina.

    Madagasikara. Lapam-panjakana eny Iavoloha, Talata 08 Oktobra 2025. Fanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina.

    This post was originally published on this site.


    Diso kajy daholo na ireo « mpanohitra » na ireo “niara-dia” tamin’ny Filoha Rajoelina. Vakio tsara :

    Androany aho eto anatrehanareo manatrika, miteny aminareo: tsy vahaolana ny korontana izay tiana apetraka eto amin’ny firenena. Tsy tiako ho tahaka an’i Haïti ,tsy misy fitondrana anie any Haïti; amintsika miteny izao ry zareo fa ny gang no mitantana ny firenena any. Noho izany, amin’ny maha-Filohan’ny Malagasy ahy, dia miteny aminareo aho: ataoko ny ezaka rehetra, amin’ny fomba rehetra, mba hampamiratra sy hasongadina an’i Madagasikara. Mandra-pahatapitra ny manda­ko, vita ny manda­ko, mety betsaka no faly ary mety betsaka no nitomany any an-tokantrano any ankehitriny. Fa mitadiava ianareo hisolo ahy fa izaho tsy hilatsaka intsony amin’ny fifidianana manaraka.

    Naka sary sy nandray feo : Jeannot RAMAMBAZAFY

  • BESARETY Loto sy haizina

    BESARETY Loto sy haizina

    This post was originally published on this site.

    Mijaly ny vahoaka ety Besarety ety fa tsy misy manala intsony ny fako. Maimbo ny tanàna no tsentsina ny làkan-drano.

    Ny mahavariana dia rehefa miantso vahoaka hitolona ireny vao hita ny Fokontany manarama olona hanadio ny tatatra. Ny Kaominina moa tsy miasa hatrizay.

    Ankoatran’izay, dia maizina tanteraka ireny Fokontany ireny, indrindra fa eny Antsahakely. Sahirana ireo mpanao andrimasom-pokonolona no sady matahotra hiasa ao anaty haizina. Fa ahoana e? Tokony mba hirehitra ihany ireo jiro amin’ny làlana fa tsy ifankahitana.

    Marina fa mikorontana ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao, fa mba jerena ihany ny fahadiovana sy ny fandriampahalemana.

    Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

  • La France applique ses lois

    La France applique ses lois

    This post was originally published on this site.

    La juridiction française condamne ses ressortissants à l’étranger sur des actes de barbarie. Le cas d’un dirigeant malgache de nationalité française fait l’objet de discussions sur une arrestation immédiate. La toile numérique fait circuler cette situation pour large diffusion.

    En vertu du droit international et du droit pénal français, la France pourrait — voire devrait — envisager de lancer un mandat d’arrêt international contre Andry Rajoelina, ressortissant français, s’il est établi qu’il dirige ou soutient activement des actes de répression violente ou des crimes graves commis contre le peuple malgache.

    En tant que citoyen français, Andry Rajoelina relève de la compétence des juridictions françaises si les faits commis à l’étranger constituent des crimes de guerre, des crimes contre l’humanité ou des crimes de torture, conformément au principe de compétence universelle prévu par le Code de procédure pénale (articles 689 et suivants).

    Si des éléments de preuve démontrent qu’il est à la tête d’une milice étrangère responsable d’assassinats, la France a non seulement le droit, mais aussi le devoir moral et légal d’agir, en coopération avec les instances internationales (Cour pénale internationale, Interpol), pour garantir que nul ressortissant français ne puisse impunément commettre de tels crimes à l’étranger.

    Explication juridique :

    1. Ressortissant français à l’étranger :

    Si Andry Rajoelina possède la nationalité française, il peut être poursuivi en France pour des crimes commis à l’étranger.

    1. Base légale :

    Les articles 689 à 689-11 du Code de procédure pénale français permettent de juger en France certains crimes commis à l’étranger, notamment :

    • Crimes de guerre ;
    • Crimes contre l’humanité ;
    • Crimes de torture ou actes de barbarie.
    1. Compétence universelle :

    Le principe de compétence universelle autorise les États à poursuivre les auteurs de crimes graves, même si ceux-ci ont été commis hors de leur territoire.

    1. Mandat d’arrêt international :

    Un tel mandat serait possible si la justice française ouvrait une enquête judiciaire sur la base de plaintes déposées, de témoignages crédibles ou de rapports d’organisations internationales.

  • Mobilisation !

    Mobilisation !

    This post was originally published on this site.

    Contestation générale sur la nomination du nouveau PM. C’est normal, il est brûlé avant la lettre d’avoir détourné plus de 500 Ha à Itasy. Fils d’ancien ministre, ce pupille de la Nation aura du mal à prendre ses responsabilités avec le Roi. La masse paysanne se soulève déjà sur cette nomination.

    On discute encore sur l’intervention de Crésus qui n’intéresse personne. Ce sont les journalistes qui étaient contents de leur prestation. Jusqu’à maintenant, personne n’a compris l’importance de l’interview dans un pays en chaos. Tout ce qu’on sait, c’est que Ravatomanga est au centre de tout ce qui ne va pas à Madagascar. C’est une de ses sociétés qui aide Green Mada Land à la prise imminente de Sakatia. Il est le seul responsable de la crise de la vanille, il tient en mains les fonctionnaires malades, il est partout avec ses sous.

    Cette emprise sur la vie publique n’est pas acceptée par le Peuple qui demande son départ. Un Consul ne fait pas de politique ? Et qui l’a nommé ? C’est le Roi. Il est serbe et en même temps ivoirien. Hahaha !

    Et son Roi est français. C’est normal si on ne veut plus de ses “étrangers” qui volent le pays.

    Si on revient sur le mouvement de GenZ, le Roi n’arriverait pas à le mater, bien que les militaires soient graissés largement. Des généraux ont été nommés en urgence et, à la hâte bien sûr, à Iavoloha. Le Roi Megawatt est en action rapide pour détourner la lutte populaire et pour rester au pouvoir. Les premiers nommés, Armée, Sécurité publique, une femme, et celui de la Gendarmerie. Pour mater à fond la lutte populaire. “Je veux des résultats” déclare le Roi.

    C’est une mobilisation générale pour retrouver la Paix et maintenir le Pouvoir du Roi. Des hauts gradés pour la dictature pour ce nouveau gouvernement.

  • HAIFY & SAKAFO KOREANINA Nisokatra ny “Kim’s Restaurant” etsy Mahazo

    HAIFY & SAKAFO KOREANINA Nisokatra ny “Kim’s Restaurant” etsy Mahazo

    This post was originally published on this site.

    Ny taona 2018 no efa nanome fahafaham-po ireo Mpanjifa mankafy manokana ny fomba fahandro Koreanina (Aziatika) teny Ivandry ny “Kim’s restaurant”. Ankehitriny efa nisokatra ihany koa ny “Kim’s Restaurant” etsy Mahazo Ankadindramamy ambony. Nomarihan’ny Ramatoa Nivo, tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ireo sakafo ao amin’ny”Kim’s Restaurant” Mahazo Ankadindramamy ambony ity fa tsy misy fiovany ny tsiron’ireo sakafo hatolotr’izy ireo ny Mpanjifa. Voatazona hatrany, hoy izy nanamafy ilay tsiro tsy manam-paharoa mampiavaka ny “Kim’s restaurant” eto Madagasikara.

    Raha tsiahivina, ny fampiarahana ny tsiro masiaka sy ny mamy no raikipohy fototra entina mikarakara ireo sakafo ao amin’ny “Kims restaurant” rehetra eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra. Ankoatry ny fanolorana ireo karazan-tsakafo masaka dia mivarotra ireo Akora fototra avy any Korea ilaina amin’ny fikarakarana ny sakafo ihany koa ny “Kim’s Restaurant” etsy Ankadindramamy ambony. Tsongaina amin’izany ny paty, ranomboankazo sy zavapisotro isan-karazany, saosy sy fanomezan-tsiro marobe, sns. Vokatra biolojika sy vaovao hatrany no ampiasaina toy ny anana, navet, voankazo vokatra eto Madagasikara, hoy, hatrany Ramatoa Nivo.

    Nomarihany fa misy karazan-tsakafo ampiasana ny Vary, kisoa, omby ao amin’ny “Kims restaurant” Mahazo Ankadindramamy ambony. Ampahany amin’ireo sakafo ankafizin’ny maro ao amin’ny “Kim’s restaurant” Mahazo Ankadindramamy ambony ny sakafo ampiasana ny paty avy any Korea izay manana endrika sy tsiro samy manana ny maha izy azy avokoa. Marihana fa haingana ny fikarakarana ireo sakafo nofinidin’ireo Mpanjifa ary misy ny tolotra fanokafam-bavony ho azy ireo eo ampiandrasana ny sakafo. Maimaim-poana ihany koa ny tsindri-tsakafo “Désert” ao amin’ny”Kim’s restaurant” Ankadindramamy ambony.

    Anisan’ireo be Mpanjifa ao amin’ny “Kim’s Restaurant” ny “ramen” sy ny sakafo ampiasana ny akoho. Misy ny sakafo tsy mandalo afo toy ny fampiasana ny petsay “Kimchi” ao amin’ity toeram-pisakafoana miavaka ity. Marihana fa misokatra anatin’ny fito andro ny “Kim’s restaurant” etsy Mahazo Ankadindramamy ambony ary afaka manome fahafaham po ireo Mpanjifa tsy afaka manantona azy ireo ihany koa amin’ny alalan’ny fanaterana ireo sakafo any an-tranon’ireo Mpanjifa ny “Kims restaurant”. Milamina sy malalaka ny toeram-piantsonana ho an’ireo mitondra fiarakodia etsy Mahazo Ankadindramamy ambony toerana misy ny “Kim’s restaurant”.

    Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

  • Folie des grandeurs !

    Folie des grandeurs !

    This post was originally published on this site.

    Le Peuple n’a pas demandé un Premier ministre mais la destitution du Roi. Les députés Irmar ont trouvé un militaire, dont le Roi donne six mois pour redresser la situation à Madagascar.

    Ce qui n’est pas l’aspiration populaire. Tout de suite après, les journalistes, triés sur le volet, acceptent Ravatomanga à l’écran. Tout est montage, de la nomination du nouveau PM jusqu’à Crésus, le malgache le plus riche du pays. Une interview de connivence qu’on a l’habitude de voir et d’entendre sur les chaînes Tv.

    On veut tuer la manifestation populaire, c’est vrai. Les interventions du Roi et de Crésus n’ont rien donné de bon pour le pays. Bla Bla Bla… Les journalistes sont contents, comme les religieux et les entrepreneurs reçus à Iavoloha.

    Les forts et les riches ne veulent pas quitter le pouvoir, et ils ont les députés pour les couvrir.

    Connaissez-vous MSA ? C’est la société qui va intervenir prochainement dans les détournements des terres et les trafics d’or. Soyons dans l’objectivité messieurs les journalistes. Vous connaissez les “Vazaha mody miady”? Les deux font la paire.

    En tout cas, faire parler Ravatomanga n’intéresse personne pour le moment. C’est un parvenu qui veut tout accaparer les richesses du pays et prend ses revanches sur le parti HVM.

    Le pays est en lutte pour faire tomber le Roi. Allons vers l’objectif principal pour nos droits humains. Un nouveau PM, militaire de surcroît n’est pas le bienvenu. N’écoutez pas les mensonges, et ne vous laissez pas berner par les déclarations qui font rêver. Le Peuple ne veut plus de ces menteurs, de ces manipulateurs à haut niveau. Ils n’ont fait que garnir leurs comptes bancaires à l’étranger. Alefa GenZ !

  • “MMJ SOCIETY” Hampisitraka ny “Foire Trano” sy ny “Le Grand Salon de Madagascar”

    “MMJ SOCIETY” Hampisitraka ny “Foire Trano” sy ny “Le Grand Salon de Madagascar”

    This post was originally published on this site.

    Ny 30 oktobra ka hatramin’ny 02 novambra 2025 no hikarakaran’ny orinasa “MMJ Society”, any Antsirabe, any amin’ny faritra Vakinankaratra, ny “éd 2025 Foire Trano: La Grande Foire de la construction et de l’habitation”. Ity andiany ity izay hotanterahana manoloana ny Gare Antsirabe. Ny hetsika ara-barotra dia hivalamparan’ireo mpandray anjara maherin’ny 80 isa ary hiandrasana mpitsidika miisa 15.000.

    Ireo mpisehatra rehetra amin’ny fananganana sy fanavaozana trano dia ho hita any an-toerana avokoa mandritra ireo efatra andro ireo. Anisan’izany ireo avy ao amin’ny “Service Foncier”, “BTP”, “Metallurgie”, “Matériaux de construction”, “Electricité”, “Habitat”, “Mobilier”, “Aménagement intérieur”, “Décoration”, “Peinture”, “Banque”, “Securité”,”Assurance” sy ny “Energie solaire” ary ny “Jardinage”. Varotra fampirantiana, fihaonana eo amin’ireo samy mpandraharaha, fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ireo samy mpandray anjara, fitadiavana lalam-barotra sy fampisehoana ary fanentanana isan-karazany no hibahan-toerana mandritra ireo fotoana ireo.

    Ankoatry ny hetsika ara-barotra amin’ny “éd 2025 Foire Trano” izay hotanterahana any Antsirabe, any amin’ny faritra Vakinankaratra, dia hotanterahana any Toamasina, ihany koa izany, ny 27 ka hatramin’ny 30 oktobra 2025. Ity “éd 2025 Foire Trano: La Grande Foire de la construction et de l’habitation” izay karakarain’ny orinasa “MMJ Society” ity dia tafiditra ao anatin’ny “Foire Trano Special Provinces”. Ankoatra ireo dia hikarakara hetsika ara-barotra voalohany antsoina hoe: “Le Grand Salon de Madagascar” ny orinasa “MMJ Society” amin’ity taona ity.

    Izy io izay hotanterahana ny 4 ka hatramin’ny 7 desambra 2025, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Hiompana manokana amin’ity hetsika ara-barotra ity ny momba ny “Immobilier” sy ny “Lotissement”. Hasongadina amin’izany ny mahakasika ny tany hahafahana manorina trano fonenana sy ny tontolon’izany sehatra izany. Mpanohana ofisialy ny “Le Grand Salon de Madagascar”, ny orinasa “i-vita”, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara avy ao amin’ny orinasa “MMJ Society”.

  • TRANO FIVAVAHANA “MI-AINA MIRINDRA” ENY SOAVIMASOANDRO AMBOHIDRAZANA Nanatontosa “Fisoratam-panambadiana faobe”

    TRANO FIVAVAHANA “MI-AINA MIRINDRA” ENY SOAVIMASOANDRO AMBOHIDRAZANA Nanatontosa “Fisoratam-panambadiana faobe”

    This post was originally published on this site.

    Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny Trano Fivavahana “Mi-Aina Mirindra” eny Soavimasoandro Ambohidrazana, ny 19 septambra 2025, ny “Fisoratam-panambadiana faobe” izay nokarakarain’izy ireo. Tsy nanavahana olona avy amin’ny antokom-pinoana na antokom-pivavahana, ity “Fisoratam-panambadiana faobe” ity fa izay rehetra te hisoratra ara-panambadiana, dia afaka nanatontosa izany avokoa tao amin’ity Trano Fivavahana ity. Ny Trano Fivavahana “Mi-Aina Mirindra” eny Soavimasoandro Ambohidrazana, dia nanatontosa hetsika roa samihafa ho an’ireo mpino tamin’ity volana septambra 2025 ity. Teo aloha ny “Fisoratam-panambadiana faobe” izay notontosaina ny 19 septambra 2025. Ankoatra izay, ny “Croisade” Vaha-olana Mahagaga ho Anao” izay notontosaina, ny sabotsy 6 septembra 2025. Lohahevitry ny “Croisade” tamin’izany ny hoe: “Ny zavatra rehetra hain’Andriamanitra”. Ity fanompoam-pivavahana ity izay niderana an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny “Vavaka”, “Delivrance” sy “Fanapahana ozona” ary “Vavaka ho an’ny marary”. Nanatontosa ihany koa hetsika ara-pilazantsara. Na voalohany aza no nanatontosan’ny Trano Fivavahana “Mi-Aina Mirindra”, fanompoam-pivavahana tahaka izao, tonga maro ireo mpino nanohana ny antso. Tsy hijanona amin’ny fanompoana an’Andrimanitra fa hitarika hatrany ireo mpino ao aminy mba hanara-dia an’Andriamanitra, ny Trano Fivavahana “Mi-Aina Mirindra”. Manaporofo izany ny hanatanterahan’izy ireo “Croisade” Faharoa indray amin’ny volana desambra 2025. Mialohan’io fotoana io anefa dia hanatanteraka “Croisade” isam-pokontany izy ireo isam-bolana, araka ny fanazavan’ny Pasteur Ramangason Nirina Jean Claude.